Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 6:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Avy eo izy dia hoe: –Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely. Fa notontosainy tokoa ny zavatra nampanantenainy tamin’i Davida raiko hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Hoy izy: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, fa ny vavany no efa niteny tamin’i Davida raiko, ary ny tanany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Avy eo izy dia hoe: –Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely. Fa notontosainy tokoa ny zavatra nampanantenainy tamin’i Davida raiko hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 «Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Israely, fa ny vavany nilaza tamin’i Davida raiko, ary ny tanany nanatanteraka ilay nolazainy hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin’i Davida raiko, ary ny tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin'i Davida raiko, ary ny tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Hoy izy: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, fa ny vavany no efa niteny tamin’i Davida raiko, ary ny tanany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe:

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 6:4
17 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo izy dia niteny hoe: –Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely! Fa notontosainy tokoa ny zavatra nampanantenainy tamin’i Davida raiko hoe:


Izy no hanao trano ho Ahy, ary haoriko mafy mandrakizay ny sezafiandrianany.


Dia nankalaza ny TOMPO teo imason’ny olona rehetra tafangona teo i Davida ka nanao hoe: –Hankalazaina anie Ianao, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely razambenay; hankalazaina anie Ianao hatrizay ka ho mandrakizay!


Dia hoy i Davida tamin’ny olona rehetra tafangona teo: –Aoka ianareo hankalaza ny TOMPO Andriamanitrareo! Dia nankalazain’izy rehetra ilay TOMPO Andriamanitry ny razany; sady niondrika izy ka niankohoka teo anatrehan’ny TOMPO sy teo anatrehan’ny mpanjaka.


Efa notanterahinao tamin’i Davida raiko sady mpanomponao ny zavatra nampanantenainao azy; eny, izay voalazanao dia notontosainao araka izao hita anio izao.


Ankehitriny àry, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, ho to anie ny fampanantenana voalazanao tamin’i Davida mpanomponao.


Nitsangana avokoa tamin’izay ny Israelita rehetra tafangona teo; dia nitodika tamin’izy ireo ny mpanjaka ary niarahaba azy.


«Hatramin’ny andro nitondrako ny vahoakako niala tany Ejipta, dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin’ny foko israelita rehetra hanaovana tempoly mba hitoeran’ny voninahitro; ary tsy mbola nisy koa olona nofidiko ho mpifehy an’i Israely vahoakako.


Nisaotra ny TOMPO Andriamanitra lehibe i Hezrà; ary nanandra-tanana ny vahoaka rehetra ka namaly hoe: «Amen!» Avy eo izy ireo dia niondrika sady niankohoka nitehi-tany teo anatrehan’ny TOMPO.


Ary izaho dia hotahirizinao tsy hanan-tsiny ka hampitoerinao mandrakizay eo anatrehanao.


Ny olo-marina kosa anie hifaly sy hiravo ary dia hibita-kafaliana eo anoloany!


Ho levona ny tany amana habakabaka, fa ny teniko tsy mba ho levona.


Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika! Fa nitahy antsika Andriamanitra tamin’ny fitahiana rehetra araka ny Fanahy Masina ka nataony miray amin’i Kristy isika sady tonga mponina any an-danitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra