Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 1:31 - DIEM PROTESTANTA

31 Ary hitan’Andriamanitra fa izay rehetra nataony dia indro tena tsara. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahenina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony ka indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahenina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Ary hitan’Andriamanitra fa izay rehetra nataony dia indro tena tsara. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahenina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

31 Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ka tsara indrindra izany. Ary nisy hariva sy nisy maraina: izay no andro fahenina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina,–andro fahenina izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

31 Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony ka indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahenina.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 1:31
21 Rohy Ifampitohizana  

Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahatelo.


Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahefatra.


Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahadimy.


Ny mazava nantsoin’Andriamanitra hoe andro, fa ny haizina kosa nantsoiny hoe alina. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro voalohany.


Ary ny habakabaka nantsoin’Andriamanitra hoe lanitra. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro faharoa.


Rehefa vitan’Andriamanitra ny asany, dia nitsahatra tamin’izay rehetra nataony Izy tamin’ny andro fahafito.


Koa notahîn’Andriamanitra sady natokany ny andro fahafito satria io no nitsaharany tamin’ny asany rehetra maha mpahary Azy.


raha niara-nihira ny kintan’ny maraina ary nihoby avokoa ireo anjelin’Andriamanitra?


Endrey ity hamaroan’ny asanao, TOMPO ô! Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra: henika ny zava-boaarinao ny tany!


Raha manome Ianao, dia mandray izy; raha sokafanao ny tananao, dia voky zava-tsoa izy.


TOMPO ô, ho mandrakizay anie ny voninahitrao ary aoka Ianao hifaly amin’ny asa vitanao!


Soa Ianao, Tompo ô, sady mpanisy soa: ampianaro ahy ny lalànanao.


Fa enina andro no nanaovako ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Aho tamin’ny andro fahafito. Izany no nahatonga Ahy TOMPO nitahy ny andro sabata sy nanokana azy ho Ahy.


Io andro io hatrany hatrany no ho mariky ny fifandraisana amiko sy amin’ny Israelita; enina andro manko no namoronako ny lanitra sy ny tany, fa tamin’ny andro fahafito dia nitsahatra Aho ary niala sasatra.


Samy misy antony avokoa ny zava-drehetra nataon’ny TOMPO; ka na dia ny ratsy fanahy aza dia nataony ho amin’ny androm-pamaizana.


fa nataon’Andriamanitra ho tsara amin’ny fotoany avy ny zava-drehetra. Nomeny antsika koa ny fanirian-kahafantatra ny lasa sy ny hoavy. Nefa tsy ho fantatry ny olombelona ny asan’Andriamanitra ankapobe hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.


Moa tsy ny tenin’ilay Avo Indrindra ve no mampisy ny loza sy ny soa?


Ny TOMPO no Vatolampy: lavorary ny asany; ny sori-dàlany rehetra rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, tsy misy ratsy eo aminy: marina sy mahitsy Izy.


Fa tsara avokoa izay noarîn’Andriamanitra, ka tsy misy tokony holavina fa horaisina amim-pisaorana an’Andriamanitra;


satria hamasinin’ny tenin’Andriamanitra sy ny vavaka izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra