Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 2:16 - DIEM PROTESTANTA

Nanan-janaka fito mirahavavy ny mpisorona Jetrao tao Midiana. Tonga hantsaka rano ireo ary hameno ny tavin-drano mba hampisotroana ny ondry aman’osin-drainy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny mpisorona tany Midiana dia nanana zanaka fito mirahavavy. Tonga teo amin’ny fantsakana izy ireo nanovo rano ka nameno ny fampisotroan-drano, hampisotroany ny ondry aman’osin-drainy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nanan-janaka fito mirahavavy ny mpisorona Jetrao tao Midiana. Tonga hantsaka rano ireo ary hameno ny tavin-drano mba hampisotroana ny ondry aman’osin-drainy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nanan-janaka fito mirahavavy ny mpisorona tao Madiàna; ary tonga nanovo rano izy ireo, dia nameno ny tavy hampisotroany ny biby fiompin-drainy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny mpisorona tao Midiana nanana zanaka fito mirahavavy; ary avy izy ireo, dia nanovo rano ka nameno ny tavin-drano hampisotroany ny ondry aman-osin-drainy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny mpisorona tao Midiana nanana zanaka fito mirahavavy; ary avy izy ireo, dia nanovo rano ka nameno ny tavin-drano hampisotroany ny ondry aman'osin-drainy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny mpisorona tany Midiana dia nanana zanaka fito mirahavavy. Tonga teo amin’ny fantsakana izy ireo nanovo rano ka nameno ny fampisotroan-drano, hampisotroany ny ondry aman’osin-drainy.

Jereo ny toko



Eksodosy 2:16
11 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitondra mofo sy divay i Melkitsedèka mpanjakan’i Salema sady mpisoron’ilay Andriamanitra avo indrindra,


Nony tonga teo akaikin’ny fantsakana teo ivelan’ny tanàna izy, dia nampandohalika ny rameva, fa fotoana hariva fivoahan’ny vehivavy mantsaka tamin’izay.


Inty aho eto akaikin’ny fantsakana; ary ireo zatovovavy zanaky ny mponina ao an-tanàna dia hivoaka hantsaka rano eto.


Indray andro izy, dia nahatazana fantsakana teny an-tsaha, ary indreo nisy ondry aman’osy andiany telo nandry teo anilany, fa io fantsakana io no fampisotroana ny biby fiompy. Misy vato lehibe manarona ny vavan’ny fantsakana.


Avy eo dia nomen’ny Farao anarana hoe Tsafenata-Pahenea i Jôsefa, sady nomeny azy ho vady i Asenata zanakavavin’i Pôtifara, mpisorona tao Ona. Dia niainga hisafo ny tany Ejipta manontolo i Jôsefa.


Ary ren’i Jetrao, mpisorona tao Midiàna sady rafozan-dahin’i Mosesy, izay rehetra nataon’ny TOMPO ho an’i Mosesy sy ilay Israely vahoakany, dia ny namoahany azy niala tany Ejipta.


Nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana tamin’Andriamanitra i Jetrao. Koa tonga i Aharôna sy ny loholon’i Israely rehetra hihinana ny sakafo masina niaraka tamin’ny rafozan’i Mosesy teo anatrehan’Andriamanitra.


Niandry ny ondrin’i Jetrao rafozany, mpisorona tao Midiana i Mosesy. Indray andro, rehefa avy nitondra ny ondry aman’osy tany ankoatra ny taniefitra izy, dia tonga tao Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.