Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 29:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Indray andro izy, dia nahatazana fantsakana teny an-tsaha, ary indreo nisy ondry aman’osy andiany telo nandry teo anilany, fa io fantsakana io no fampisotroana ny biby fiompy. Misy vato lehibe manarona ny vavan’ny fantsakana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Dia nahita lavaka fantsakana iray tany an-tsaha izy; ary indro, nisy ondry aman’osy andiany telo nandry teo anilany, fa teo amin’izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan’ny olona ny andian’ondry aman’osy. Nisy vato lehibe teo am-bavan’ny fantsakana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Indray andro izy, dia nahatazana fantsakana teny an-tsaha, ary indreo nisy ondry aman’osy andiany telo nandry teo anilany, fa io fantsakana io no fampisotroana ny biby fiompy. Misy vato lehibe manarona ny vavan’ny fantsakana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Nitazana izy ka indro lavaka fantsakana anankiray teny an-tsaha, ary indreo nisy ondry telo dia, nandry teo anilany, fa teo amin’izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan-drano ny biby fiompy, ary lehibe ny vato teo ambonin’ny vava lavaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman-osy telo-dia nandry teo anilany; fa teo amin’izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan’ny olona ny andian’ny ondry aman-osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan’ny fantsakana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman'osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin'izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan'ny olona ny andian'ny ondry aman'osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan'ny fantsakana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Dia nahita lavaka fantsakana iray tany an-tsaha izy; ary indro, nisy ondry aman’osy andiany telo nandry teo anilany, fa teo amin’izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan’ny olona ny andian’ondry aman’osy. Nisy vato lehibe teo am-bavan’ny fantsakana.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 29:2
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia naka rameva folo tamin’ny ramevan’ny tompony izy sady nitondra izay zavatra tsara indrindra nananan’ny tompony, dia niainga hankany Mezôpotamia ambony, any amin’ny tanànan’i Nahôra.


Nony tonga teo akaikin’ny fantsakana teo ivelan’ny tanàna izy, dia nampandohalika ny rameva, fa fotoana hariva fivoahan’ny vehivavy mantsaka tamin’izay.


Inty aho eto akaikin’ny fantsakana; ary ireo zatovovavy zanaky ny mponina ao an-tanàna dia hivoaka hantsaka rano eto.


Rehefa tafangona avokoa ireo andiany rehetra, dia esorina ny vato amin’ny vava fantsakana ary ampisotroina ny andian’ondry aman’osy; aorian’izany, dia averina ho amin’ny toerany eo amin’ny vava fantsakana ilay vato.


Ampandrîny eo amin’ny ahi-maitso aho ary entiny eo amin’ny rano mahafa-tsasatra,


Tsy ho noana sady tsy hangetaheta ireo ary tsy hampaninona azy akory na ny rivo-mahamay na ny masoandro, satria am-pitiavana no hitarihako azy ary any amin’ny loharano miboiboika no hitondrako azy hiala hetaheta.


Fa na iza na iza hisotro amin’ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta na oviana na oviana; satria ny rano izay homeko azy dia hanjary loharano ao anatiny ka hiboiboika ho aina maharitra mandrakizay.


teo no nisy ny fantsakan’i Jakôba. Ary i Jesoa tamin’izay efa sasatry ny dia nataony, ka nipetraka teo amoron’ny fantsakana, tokony ho tamin’ny 12 antoandro.


Fa ny Zanakondry Izay mipetraka eo afovoan’ny sezafiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ny loharano velona; ary hofafàn’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony.


Teo akaikin’ny fampisotroan-drano, ireo mpizara rano ho an’ny biby fiompy no nankalaza ny fandresen’ny TOMPO, dia fandresena nomeny ireo lehiben’i Israely fony injay nirotsaka hiady teo am-bavahadin’ny tanàna ilay vahoakan’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra