Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 29:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Rehefa tafangona avokoa ireo andiany rehetra, dia esorina ny vato amin’ny vava fantsakana ary ampisotroina ny andian’ondry aman’osy; aorian’izany, dia averina ho amin’ny toerany eo amin’ny vava fantsakana ilay vato.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Teo no nangonina ny andian’ondry aman’osy rehetra, dia nakodia hiala amin’ny vavan’ny fantsakana ny vato ka nampisotroina ny ondry aman’osy; avy eo dia averina ho amin’ny toerany eo am-bavan’ny fantsakana indray ny vato.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Rehefa tafangona avokoa ireo andiany rehetra, dia esorina ny vato amin’ny vava fantsakana ary ampisotroina ny andian’ondry aman’osy; aorian’izany, dia averina ho amin’ny toerany eo amin’ny vava fantsakana ilay vato.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Tao no niangonan’ny biby fiompy rehetra. Akodia aloha ny vato avy eo ambonin’ny vava lavaka fantsakana, ka ampisotroina ny biby fiompy, dia averina amin’ny fitoerany eo am-bava lavaka fantsakana indray ny vato.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary nangonina teo ny andian’ny ondry aman-osy rehetra, dia nakodian’ny olona ny vato hiala amin’ny vavan’ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman-osy; ary dia naveriny indray ny vato ho eo am-bavan’ny lavaka fantsakana ho amin’ny fitoerany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary nangonina teo ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, dia nakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman'osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan'ny lavaka fantsakana ho amin'ny fitoerany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Teo no nangonina ny andian’ondry aman’osy rehetra, dia nakodia hiala amin’ny vavan’ny fantsakana ny vato ka nampisotroina ny ondry aman’osy; avy eo dia averina ho amin’ny toerany eo am-bavan’ny fantsakana indray ny vato.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 29:3
6 Rohy Ifampitohizana  

Indray andro izy, dia nahatazana fantsakana teny an-tsaha, ary indreo nisy ondry aman’osy andiany telo nandry teo anilany, fa io fantsakana io no fampisotroana ny biby fiompy. Misy vato lehibe manarona ny vavan’ny fantsakana.


Nanontany an’ireo mpiandry ondry i Jakôba hoe: –Ry rahalahy, avy aiza moa ianareo? Ka hoy ireo hoe: –Avy any Haràna izahay.


Fa novalian’ireo hoe: –Tsy azonay atao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andiany rehetra; amin’izay dia hoesorina ny vato eo amin’ny vava fantsakana, ary hampisotro ny ondry aman’osy izahay.


Fa tonga ireo lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka ireto zazavavy; dia nitsangana i Mosesy ka namonjy ireto zazavavy sady nampisotro ny biby fiompy.


Zaridaina mifefy tsara hidy ianao, ry havako fofombadiko; zaridaina mifefy tsara hidy ianao sady loharano voaisy tombokase.


Teo akaikin’ny fampisotroan-drano, ireo mpizara rano ho an’ny biby fiompy no nankalaza ny fandresen’ny TOMPO, dia fandresena nomeny ireo lehiben’i Israely fony injay nirotsaka hiady teo am-bavahadin’ny tanàna ilay vahoakan’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra