Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 29:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Nanontany an’ireo mpiandry ondry i Jakôba hoe: –Ry rahalahy, avy aiza moa ianareo? Ka hoy ireo hoe: –Avy any Haràna izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Hoy i Jakoba tamin’ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Hoy ireo: Avy any Harana izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Nanontany an’ireo mpiandry ondry i Jakôba hoe: –Ry rahalahy, avy aiza moa ianareo? Ka hoy ireo hoe: –Avy any Haràna izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Ary hoy i Jakôba tamin’ireo mpiandry ondry: «Ry rahalahy, avy aiza moa ianareo?» Hoy ny navaliny azy: «Avy any Haràna izahay.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary hoy Jakoba tamin’ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa hianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary hoy Jakoba tamin'ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Hoy i Jakoba tamin’ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Hoy ireo: Avy any Harana izahay.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 29:4
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary nentin’i Tera i Abrama zanany lahy sy i Lôta zafikeliny sady zanakalahin’i Haràna. Nentiny koa i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama. Dia niala tao Ora any Babilônia ireo ka nankany amin’ny tany Kanahàna. Tonga hatrany Haràna izy ary nonina tao.


Dia naka rameva folo tamin’ny ramevan’ny tompony izy sady nitondra izay zavatra tsara indrindra nananan’ny tompony, dia niainga hankany Mezôpotamia ambony, any amin’ny tanànan’i Nahôra.


Koa ankehitriny, anaka, henoy tsara aho! Mandehana mandositra any amin’ny anadahiko any Haràna.


Niala tao Beera-Seba i Jakôba ka nankany Haràna.


Rehefa tafangona avokoa ireo andiany rehetra, dia esorina ny vato amin’ny vava fantsakana ary ampisotroina ny andian’ondry aman’osy; aorian’izany, dia averina ho amin’ny toerany eo amin’ny vava fantsakana ilay vato.


Dia novaliany hoe: –Ianareo rahalahy sy ianareo ray aman-dreny, henoy aho. Ilay Andriamanitra be voninahitra dia niseho tamin’i Abrahama razantsika fony izy tany Mezôpôtamia fa mbola tsy nifindra monina tany Haràna.


Dia nandao ny tanin’ny Kaldeanina i Abrahama ka nifindra monina tany Haràna. Rehefa maty irainy, dia nafindran’Andriamanitra avy tany Haràna izy hanketo amin’ity tany izay onenanareo ankehitriny ity.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra