Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 2:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Henon’ny Farao tokoa izany, koa notadiaviny hovonoina ho faty i Mosesy. Dia nandositra lavitry ny Farao i Mosesy, ka lasa nialokaloka tany amin’ny tany Midiana, ary nipetraka teo anilan’ny fantsakana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Rehefa ren’i Farao izany zavatra izany dia nitady hamono an’i Mosesy izy. Fa nandositra an’i Farao i Mosesy ka nonina tany amin’ny tany Midiana. Ary nipetraka teo anilan’ny lavaka fantsakana iray izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Henon’ny Farao tokoa izany, koa notadiaviny hovonoina ho faty i Mosesy. Dia nandositra lavitry ny Farao i Mosesy, ka lasa nialokaloka tany amin’ny tany Midiana, ary nipetraka teo anilan’ny fantsakana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Nony ren’i Faraôna ny zavatra nitranga dia notadiaviny hovonoina i Môizy, saingy nandositra ny tanan’i Faraôna izy, ka nankany amin’ny tany Madiàna, dia nipetraka teo anilan’ny lavaka fantsakana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary rehefa ren’i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an’i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan’i Farao ka nonina tany amin’ny tany Midiana; ary nipetraka teo anilan’ny lavaka fantsakana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary rehefa ren'i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an'i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan'i Farao ka nonina tany amin'ny tany Midiana; ny nipetraka teo anilan'ny lavaka fantsakana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Rehefa ren’i Farao izany zavatra izany dia nitady hamono an’i Mosesy izy. Fa nandositra an’i Farao i Mosesy ka nonina tany amin’ny tany Midiana. Ary nipetraka teo anilan’ny lavaka fantsakana iray izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 2:15
17 Rohy Ifampitohizana  

Nony tonga teo akaikin’ny fantsakana teo ivelan’ny tanàna izy, dia nampandohalika ny rameva, fa fotoana hariva fivoahan’ny vehivavy mantsaka tamin’izay.


Niteraka enin-dahy tamin’i Abrahama izy, dia ireto avy izany: i Zimràna sy i Jôksàna, i Medàna sy i Midiàna ary i Jisbàka sy i Soa.


Ny zanakalahin’i Midiàna dia i Hefà sy i Hefera, i Hanôka sy i Abidà ary i Eldahà. Ireo rehetra ireo no taranak’i Ketorà.


Indray andro izy, dia nahatazana fantsakana teny an-tsaha, ary indreo nisy ondry aman’osy andiany telo nandry teo anilany, fa io fantsakana io no fampisotroana ny biby fiompy. Misy vato lehibe manarona ny vavan’ny fantsakana.


nandao ny faritr’i Midiana ireo ka tonga tany an-taniefitra Paràna. Tao izy no nitondra lehilahy hiaraka aminy hankany Ejipta, ho ao amin’ny Farao mpanjaka izay nanome azy trano sy tany ary nampanantena azy hanina.


ary ilay zandriny kosa nantsoiny hoe Elihezera na «Andriamanitro mamonjy ahy», fa hoy izy hoe: «Ny Andriamanitry ny raiko no namonjy ahy, ka niaro ahy tamin’ny famelezan’ny Farao.»


Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy tao Midiana hoe: –Ndeha tokoa miverina any Ejipta ianao satria efa maty ireo olona nifofo ny ainao.


Mahatsinjo ny loza ny malina ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.


Hitako ny fahorian’ireo vahoakan’i Kosàna sy ny horohoron’ireo mponin’i Midiàna.


Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny tanàna hafa; eny, lazaiko marina aminareo fa tsy ho tapitra voatetinareo akory ny tanàna eto Israely, dia ho avy ny Zanak’olona.


teo no nisy ny fantsakan’i Jakôba. Ary i Jesoa tamin’izay efa sasatry ny dia nataony, ka nipetraka teo amoron’ny fantsakana, tokony ho tamin’ny 12 antoandro.


Vao nandre izany teny izany i Mosesy, dia vaky nandositra ka nifindra monina tany Midiàna, ary nanan-janaka roa lahy tany.


Finoana no nandaozan’i Mosesy an’i Ejipta ka tsy natahorany izay hatezeran’ny mpanjaka; fa naharitra tamin’ny fanapahan-keviny izy, toy ny nahita maso an’ilay Andriamanitra tsy hita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra