Eksodosy 17:9 - DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Mosesy tamin’i Josoa: –Mifidiana lehilahy afaka hiaro antsika, dia mivoaha hiady amin’ny Hamalekita. Izaho kosa rahampitso dia hijoro eo an-tampon’ny havoana miaraka amin’ny tehin’Andriamanitra eny an-tanako. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Mosesy tamin’i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ny Amalekita; fa hijoro eo an-tampon’ny havoana aho rahampitso ka hitana ny tehin’Andriamanitra etỳ an-tanako. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Mosesy tamin’i Josoa: –Mifidiana lehilahy afaka hiaro antsika, dia mivoaha hiady amin’ny Hamalekita. Izaho kosa rahampitso dia hijoro eo an-tampon’ny havoana miaraka amin’ny tehin’Andriamanitra eny an-tanako. Baiboly Katolika «Mifantena lehilahy ianao dia handeha hiady amin’i Amaleka; izaho kosa rahampitso hijoro eo an-tampon’ny havoana, mitana ny tehin’Andriamanitra ao an-tanako.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Mosesy tamin’i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ny Amalekita; rahampitso dia hijoro eo an-tampon’ny havoana aho ka hitana ny tehin’Andriamanitra etỳ an-tànako. Malagasy Bible Dia hoy Mosesy tamin'i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin'ny Amalekita; rahampitso dia hijoro eo an-tampon'ny havoana aho ka hitana ny tehin'Andriamanitra etỳ an-tanako. La Bible en Malgache Dia hoy i Mosesy tamin’i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ny Amalekita; fa hijoro eo an-tampon’ny havoana aho rahampitso ka hitana ny tehin’Andriamanitra etỳ an-tanako. |
Fa ny amin’ny sisa, dia mifidiana lehilahy be herimpo ao amin’ny vahoaka, dia lehilahy fatra-panaja an’Andriamanitra, tia fahamarinana sady tsy mandray tsolotra; ka tendreo ireo ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.
Dia niakatra teo an-tendrombohitr’Andriamanitra i Mosesy, niaraka tamin’i Josoa mpanompony,
Ary ny TOMPO niteny nifanatrika tamin’i Mosesy tahaka ny olona miresaka amin’ny sakaizany. Taorian’izay dia niverina ho an-toby i Mosesy; fa i Josoa, zanakalahin’i Nona sady zatovo mpanompon’i Mosesy, no mbola nijanona tao anatin’ny tranolay masina.
Koa nalain’i Mosesy ny vadiny aman-janany, natainginy teo amin’ny borikiny, dia niverina ho any Ejipta izy. Ary nataony an-tanana koa ilay tehina nasain’Andriamanitra nentiny.
Dia loa-bolana i Josoa, zanakalahin’i Nona sady mpanompon’i Mosesy hatramin’ny fahatanorany, ka nanao hoe: –Ry Mosesy tompoko, mba rarao re izy roa lahy.
Ireo no anaran’ny lehilahy nalefan’i Mosesy hisafo ny tany Kanahàna. Nataon’i Mosesy hoe Josoa i Hôsea zanakalahin’i Nona.
Dia hoy ny TOMPO namaly an’i Mosesy: –Alao i Josoa zanakalahin’i Nona fa lehilahy itoeran’ny Fanahiko. Izy no hametrahanao tanana,
Dia mbola noraisin’ireo razantsika tafaraka tamin’i Josoa ilay tranolay ary nentiny niditra tao amin’ny tany fananan’ireo hafa firenena; fa noroahin’Andriamanitra teo anoloan’ny razantsika manko ireo hafa firenena. Tao hatrany ilay tranolay mandra-pahatongan’ny andro nanjakan’i Davida.
I Mosesy dia niaraka tamin’i Josoa, zanakalahin’i Nona, no tonga nilaza manontolo ho ren’ny vahoaka izany tononkira izany.
Raha tàhiny efa vitan’i Josoa ny fanomezana fitsaharana ny vahoaka, dia tsy ho nilaza andro hafa indray Andriamanitra tatỳ aoriana.
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Josoa: –Ambano amin’ny lefona eny an-tananao i Hay satria hatolotro eo an-tananao izy. Dia nanambanan’i Josoa ny tanàna ilay lefona teny an-tanany.
Dia niainga hamely an’i Hay i Josoa sy ny tafiny. Ary i Josoa nifidy lehilahy mahery fo miisa telo alina, dia naniraka azy nony alina