Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 27:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Dia hoy ny TOMPO namaly an’i Mosesy: –Alao i Josoa zanakalahin’i Nona fa lehilahy itoeran’ny Fanahiko. Izy no hametrahanao tanana,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Alao i Josoa, zanak’i Nona, izay lehilahy manam-panahy ka ametraho ny tananao izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Dia hoy ny TOMPO namaly an’i Mosesy: –Alao i Josoa zanakalahin’i Nona fa lehilahy itoeran’ny Fanahiko. Izy no hametrahanao tanana,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: Alao i Jôsoe zanak’i Nona, lehilahy itoeran’ny Fanahy ka ametraho tanana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Alao ho anao Josoa, zanak’i Nona, lehilahy izay manam-panahy, ka ametraho ny tànanao izy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alao ho anao Josoa, zanak'i Nona, lehilahy izay manam-panahy, ka ametraho ny tananao izy;

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 27:18
32 Rohy Ifampitohizana  

ka hoy ny Farao tamin’ireo mpanompony: –Aiza indray isika no hahita lehilahy manana ny Fanahin’Andriamanitra tahaka ity?


i Nona zanakalahin’i Elisamà, i Josoa zanakalahin’i Nona.


Dia hoy i Mosesy tamin’i Josoa: –Mifidiana lehilahy afaka hiaro antsika, dia mivoaha hiady amin’ny Hamalekita. Izaho kosa rahampitso dia hijoro eo an-tampon’ny havoana miaraka amin’ny tehin’Andriamanitra eny an-tanako.


Efa reko ny momba anao fa entanin’ny fanahin’ireo andriamanitra ianao ary hita ao aminao ny fahazavan-tsaina sy ny fahalalana ary fahendrena tena fatratra.


Fa hidina eo Aho ka hiteny aminao; ary haka amin’ny fanahy izay nomeko anao Aho ka hametraka izany amin’izy ireo mba hiarahany mitondra aminao ity firenena ity; koa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.


Ireo no anaran’ny lehilahy nalefan’i Mosesy hisafo ny tany Kanahàna. Nataon’i Mosesy hoe Josoa i Hôsea zanakalahin’i Nona.


I Hôsea zanakalahin’i Nona, avy amin’ny fokon’i Efraîma;


Ary rehefa nametra-tanana tamin’i Josoa i Mosesy, dia nanokana azy ho dimbiny, araka ny voalazan’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Mosesy.


Ilay nirahin’Andriamanitra manko no milaza ny tenin’Andriamanitra, satria tsy misy fetrany no anomezan’Andriamanitra Azy ny Fanahy Masina.


Tamin’izay, rehefa nifady hanina sy nivavaka ny iray Fiangonana, dia nametra-tanana tamin’izy roa lahy ary nandefa azy.


Nametrahan’i Paoly tanana izy rehetra ka nahazo ny Fanahy Masina, ary dia niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sady nilaza hafatra avy amin’Andriamanitra.


Noho izany, ry havana, aoka hisy olona fito lahy hotsongaina avy eo afovoanareo, dia olona tsara laza sady feno Fanahy Masina ama-pahendrena, mba hampiandraiketanay izany raharaha izany.


Naroso teo anatrehan’ny apôstôly izy fito lahy ka nanaovan’ny apôstôly vavaka sy nametrahany tanana.


Ianareo ihany koa no nitezeran’ny TOMPO ahy, ka nanaovany hoe: «Ianao koa tsy hiditra amin’io tany io;


Tamin’izany andro izany koa dia nomeko baiko i Josoa ka nilazako hoe: «Efa hitanao maso izay rehetra nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo tamin’ireo mpanjaka roa lahy; dia toy izany no hataon’ny TOMPO amin’ny mpanjaka rehetra hatrehinao eny ampita.


Fa i Josoa no omeo baiko, dia ampaherezo sy hatanjaho, satria izy no hiampita eo alohan’ity vahoaka ity sady hampahazo azy ny tany izay ho hitanao.»


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Indro antomotra ny andro hahafatesanao; koa antsoy i Josoa, ary tongava eo anoloan’ny Tranolay fihaonana ianareo mba hameperako azy. Dia nandeha nankeo anoloan’ny Tranolay fihaonana ry i Mosesy sy i Josoa


Avy eo dia nofeperan’ny TOMPO i Josoa, zanakalahin’i Nona, ka nilazany hoe: –Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hitondra ny Israelita hiditra ao amin’ny tany izay nianianako taminy homena azy, Izaho mihitsy no hiaraka aminao.


Ny TOMPO Andriamanitrareo mihitsy no hita eo alohanareo, Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanareo, mba hahazoanareo ny taniny; ary i Josoa mihitsy no hita eo alohanareo araka izay efa voalazan’ny TOMPO.


I Josoa, zanakalahin’i Nona, dia feno fanahy fahendrena, satria efa nametrahan’i Mosesy tanana; ka nihaino azy ny Israelita sady nanatanteraka ny didy nampitain’ny TOMPO tamin’i Mosesy.


Aza atao tandrevaka ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, fanomezam-pahasoavana izay natolotra anao fony niteny taminao ny mpilaza hafatr’Andriamanitra ary nametra-tanana taminao ny loholona tafangona.


Aza maika loatra mametra-tanana amin’olona mba hanokana azy amin’ny asan’ny Tompo. Aza miombona ota amin’ny sasany; tahirizo madio ny tenanao.


ny fampianarana momba ny batisa samihafa sy ny fametrahan-tanana ary momba ny fitsanganan’ny maty ho velona sy ny fitsarana mandrakizay.


Tsy misy hafa amin’izay hankatoavanay mandrakariva an’i Mosesy no hankatoavanay anao koa. Homba anao anie ny TOMPO Andriamanitrao tahaka izay nanombany an’i Mosesy.


Ary nirotsaka tao amin’i Jiftà ny Fanahin’ny TOMPO, dia nandeha nitety ny faritanin’i Gilehada sy i Manase izy, ary tonga tao Mitsepà any Gilehada mba hiampita ho any amin’ny faritanin’ny Hamônita.


Dia nitoetra tao aminy ny Fanahin’ny TOMPO, ka nitondra ny Israelita izy. Ary niainga hiady i Hôtniela; dia natolotry ny TOMPO teo an-tanany i Kosàna-Risehataîma mpanjakan’i Mezôpôtamia ka resiny.


Ary niteny ny iray tamin’ny mpanompony hoe: –Mahalala olona iray izay aho, dia ny zanakalahin’i Jisay any Betlehema; tena mahay mitendry zava-maneno izy sady lehilahy manana ny maha izy azy no miaramila matanjaka, ary koa mahay mikabary sy tsara tarehy, ary ny TOMPO dia momba azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra