Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 24:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Dia niakatra teo an-tendrombohitr’Andriamanitra i Mosesy, niaraka tamin’i Josoa mpanompony,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Dia niainga i Mosesy sy i Josoa mpanompony ka i Mosesy dia niakatra nankao amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Dia niakatra teo an-tendrombohitr’Andriamanitra i Mosesy, niaraka tamin’i Josoa mpanompony,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Dia niainga i Môizy nomban’i Jôsoe mpanompony, nandroso nankeo an-tendrombohitr’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Dia niainga Mosesy sy Josoa mpanompony; ary Mosesy dia niakatra tao an-tendrombohitr’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Dia niainga Mosesy sy Josoa mpanompony; ary Mosesy dia niakatra tao an-tendrombohitr'Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Dia niainga i Mosesy sy i Josoa mpanompony ka i Mosesy dia niakatra nankao amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 24:13
10 Rohy Ifampitohizana  

i Nona zanakalahin’i Elisamà, i Josoa zanakalahin’i Nona.


Dia lasa i Jetrao niaraka tamin’ny vady aman-janak’i Mosesy nankany amin’i Mosesy tany an-taniefitra, dia izay nitobiany teo anilan’ny tendrombohitr’Andriamanitra.


Ary niakatra ny tendrombohitra i Mosesy hihaona amin’Andriamanitra. Dia niantso an’i Mosesy avy tao an-tampon-tendrombohitra ny TOMPO ka nanao taminy hoe: –Izao no hambaranao amin’ny taranak’i Jakôba, dia ny Israelita.


Niandry ny ondrin’i Jetrao rafozany, mpisorona tao Midiana i Mosesy. Indray andro, rehefa avy nitondra ny ondry aman’osy tany ankoatra ny taniefitra izy, dia tonga tao Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.


Ren’i Josoa ny feon’ny vahoaka nihorakoraka, ka hoy izy tamin’i Mosesy: –Horakoraky ny ady any an-toby izany!


Ary ny TOMPO niteny nifanatrika tamin’i Mosesy tahaka ny olona miresaka amin’ny sakaizany. Taorian’izay dia niverina ho an-toby i Mosesy; fa i Josoa, zanakalahin’i Nona sady zatovo mpanompon’i Mosesy, no mbola nijanona tao anatin’ny tranolay masina.


Dia niteny tamin’i Aharôna ny TOMPO hoe: –Mandehana mankany an-taniefitra hitsena an’i Mosesy. Dia nandeha i Aharôna ary nifanehatra taminy tao an-tendrombohitr’Andriamanitra, ka nanoroka azy.


Dia loa-bolana i Josoa, zanakalahin’i Nona sady mpanompon’i Mosesy hatramin’ny fahatanorany, ka nanao hoe: –Ry Mosesy tompoko, mba rarao re izy roa lahy.


Taorian’ny nahafatesan’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO, dia nitenenan’ny TOMPO i Josoa zanakalahin’i Nona sady mpanampy an’i Mosesy nataony hoe:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra