Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 13:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Ireo no anaran’ny lehilahy nalefan’i Mosesy hisafo ny tany Kanahàna. Nataon’i Mosesy hoe Josoa i Hôsea zanakalahin’i Nona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Ireo no anaran’ny lehilahy izay nirahin’i Mosesy hisafo ny tany. Ary i Hosea, zanak’i Nona, dia nataon’i Mosesy hoe Josoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Ireo no anaran’ny lehilahy nalefan’i Mosesy hisafo ny tany Kanahàna. Nataon’i Mosesy hoe Josoa i Hôsea zanakalahin’i Nona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Ireo no anaran’ny lehilahy nirahin’i Môizy hisafo ny tany. I Ozea, zanak’i Nona dia nomen’i Môizy anarana hoe Jôsoe.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ireo no anaran’ny lehilahy izay nirahin’i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak’i Nona, dia nataon’i Mosesy hoe Josoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ireo no anaran'ny lehilahy izay nirahin'i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak'i Nona, dia nataon'i Mosesy hoe Josoa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Ireo no anaran’ny lehilahy izay nirahin’i Mosesy hisafo ny tany. Ary i Hosea, zanak’i Nona, dia nataon’i Mosesy hoe Josoa.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 13:16
14 Rohy Ifampitohizana  

i Nona zanakalahin’i Elisamà, i Josoa zanakalahin’i Nona.


Dia hoy i Mosesy tamin’i Josoa: –Mifidiana lehilahy afaka hiaro antsika, dia mivoaha hiady amin’ny Hamalekita. Izaho kosa rahampitso dia hijoro eo an-tampon’ny havoana miaraka amin’ny tehin’Andriamanitra eny an-tanako.


Ny teny izay nampitain’ny TOMPO tamin’i Hôsea zanakalahin’i Beerỳ tamin’ny andron’i Hozià sy i Jôtama sy i Ahaza ary i Hezekià mpanjakan’i Joda, sy tamin’ny andron’i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy sady mpanjakan’i Israely.


I Geoela zanakalahin’i Makỳ, avy amin’ny fokon’i Gada.


–Mandefasa lehilahy hisafo ny tany Kanahàna izay omeko ny Israelita. Lehilahy iray isam-pokony avy no halefanareo, ka izy rehetra dia hotsongaina amin’ireo mpiandraikitra azy.


I Hôsea zanakalahin’i Nona, avy amin’ny fokon’i Efraîma;


Mianiana Aho fa tsy hisy hiditra amin’ny tany izay efa nampanantenaiko hamponenana anareo ianareo, afa-tsy i Kaleba zanakalahin’i Jefonè sy i Josoa zanakalahin’i Nona;


I Josa zanakalahin’i Nona sy i Kaleba zanakalahin’i Jefonè izay samy anisan’ny nisafo tany kosa dia nandriatra ny fitafiany


Dia hoy ny TOMPO namaly an’i Mosesy: –Alao i Josoa zanakalahin’i Nona fa lehilahy itoeran’ny Fanahiko. Izy no hametrahanao tanana,


Dia mbola noraisin’ireo razantsika tafaraka tamin’i Josoa ilay tranolay ary nentiny niditra tao amin’ny tany fananan’ireo hafa firenena; fa noroahin’Andriamanitra teo anoloan’ny razantsika manko ireo hafa firenena. Tao hatrany ilay tranolay mandra-pahatongan’ny andro nanjakan’i Davida.


araka ny lazainy ao amin’ny bokin’i Hôsea mpaminany hoe: «Ilay tsy vahoakako dia hantsoiko hoe vahoakako; ary ilay tsy malalako dia hantsoiko hoe malalako.


I Mosesy dia niaraka tamin’i Josoa, zanakalahin’i Nona, no tonga nilaza manontolo ho ren’ny vahoaka izany tononkira izany.


Raha tàhiny efa vitan’i Josoa ny fanomezana fitsaharana ny vahoaka, dia tsy ho nilaza andro hafa indray Andriamanitra tatỳ aoriana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra