Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 13:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Nalefan’i Mosesy hisafo ny tany Kanahàna izy ireo ka nataony hoe: –Miakara avy any atsimo, dia mianiha ny tendrombohitra

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Nandefa azy ireo hisafo ny tany Kanana i Mosesy ka niteny taminy hoe: Miakara mandalo eto amin’ny Negeva, ary avy eo, miakara any amin’ny tany be havoana;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Nalefan’i Mosesy hisafo ny tany Kanahàna izy ireo ka nataony hoe: –Miakara avy any atsimo, dia mianiha ny tendrombohitra

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Nirahin’i Môizy hisafo ny tany Kanaana izy ireo, nataony hoe: «Miakara ianareo, mihazoa ny Negeba, dia miakara amin’ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atỳ amin’ny tany atsimo hianareo, ka miakara ho any amin’ny tany havoana;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atỳ amin'ny tany atsimo ianareo, ka miakara ho any amin'ny tany havoana;

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 13:17
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia nandeha i Abrama ka nifindrafindra toby nihazo ny faritra atsimo.


Avy any Ejipta i Abrama dia niverina nankany Negeva niaraka tamin’ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra. Niaraka taminy koa i Lôta.


Miaingà ka mandehana mamakivaky ny tany amin’ny sakany sy lavany, fa homeko anao izy.


Nandeha izy nifindrafindra avy tao Negeva ka hatrany Betela, teo amin’ny toerana izay efa nitobiany tamin’ny voalohany, teo anelanelan’i Betela sy i Hay.


Nisy lava-drano betsaka nandrevo tao amin’ny lohasahan’i Sidima, ka rahefa nandositra ny mpanjakan’i Sôdôma sy i Gômôra, dia nianjera tao ary ireo sisa kosa nandositra tany an-tendrombohitra.


hahitanareo ny toetry ny tany sy ny mponina ao na mahery izy na malemy, ary koa na vitsy izy na maro.


Ny Hamalekita no monina amin’ny faritra atsimo; ny Hetita sy ny Hivita ary ny Jebosita sy ny Amôrita no any an-tendrombohitra, fa ny Kanahanîta kosa no mipetraka amoron-dranomasina Mediteranea sy amoron’i Jôrdàna.


Ny ampitso vao maraina, dia niakatra tany an-tendrombohitra izy ireo sady nanao hoe: –Tena nanota tokoa izahay, fa izao kosa dia vonona hiakatra hankany amin’ny toerana voatondron’ny TOMPO.


Kanjo niainga hiady aminareo ny Amôrita izay nonina tamin’izany faritra havoana izany, dia nandresy anareo tao Sehîra ka tahaka ny andian-drenitantely ireo no nanenjika anareo hatrany Hôrmà.


Nalain’i Josoa ny tany manontolo; noreseny avokoa ireo mpanjaka rehetra tany an-tendrombohitra sy ny faritra atsimo ary ny teny amin’ny lemak’i Sefelà sy ny kisolosolo, ka tsy nisy niangana; naringany avokoa izay rehetra manana aina, araka ny didy nomen’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.


ka nivoaka eo atsimon’ny fiakaran’i Hakrabima ary mandalo an’i Tsina; dia miakatra eo atsimon’i Kadesy-Barnea, mihazo an’i Hetsirôna, miakatra hatrany Adara, vao miolaka ho any Karkà;


Ary i Josoa, zanakalahin’i Nona, dia nandefa mpitsikilo roa lahy mangingina avy tao an-tobin’i Sitima ka niteny taminy hoe: –Ndeha misafo ny tany ianareo, indrindra fa ny tanànan’i Jerikao. Nony tonga tao an-tanàna izy roa lahy, dia niditra tao an-tranon’ny vehivavy mpivaro-tena iray atao hoe Rahaba ka nandry tao.


ka izao no navaliny azy: –Mba anaovy fanomezana aho! Tany ngazana any atsimo no natolotrao ahy, ka mba omeo loharano aho. Dia nomen’i Kaleba azy ny loharano any ambony sy ny loharano atỳ ambany.


Ny TOMPO mihitsy no efa nomba ny olon’i Joda tamin’izany, ka azony ny faritra be tendrombohitra. Nefa tsy voaroakany ireo mponin’ny tany lemaka, satria nanana kalesy vy ireny.


Taorian’izany, dia nidina ireo hiady tamin’ny Kanahanita izay nonina teny an-kavoana sy tany amin’ny faritra atsimo ary tany amin’ny lemak’i Sefelà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra