Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 13:17 - Baiboly Katolika

17 Nirahin’i Môizy hisafo ny tany Kanaana izy ireo, nataony hoe: «Miakara ianareo, mihazoa ny Negeba, dia miakara amin’ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Nandefa azy ireo hisafo ny tany Kanana i Mosesy ka niteny taminy hoe: Miakara mandalo eto amin’ny Negeva, ary avy eo, miakara any amin’ny tany be havoana;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

17 Nalefan’i Mosesy hisafo ny tany Kanahàna izy ireo ka nataony hoe: –Miakara avy any atsimo, dia mianiha ny tendrombohitra

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Nalefan’i Mosesy hisafo ny tany Kanahàna izy ireo ka nataony hoe: –Miakara avy any atsimo, dia mianiha ny tendrombohitra

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atỳ amin’ny tany atsimo hianareo, ka miakara ho any amin’ny tany havoana;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atỳ amin'ny tany atsimo ianareo, ka miakara ho any amin'ny tany havoana;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Nandefa azy ireo hisafo ny tany Kanana i Mosesy ka niteny taminy hoe: Miakara mandalo eto amin’ny Negeva, ary avy eo, miakara any amin’ny tany be havoana;

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 13:17
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia nandroso ihany i Abrama nifindrafindra lasy nianatsimo.


Ary niakatra avy any Ejipta nihazo tany atsimo i Abrama, dia izy sy ny vadiny, mbamin’ny fananany rehetra, ary i Lôta koa niaraka taminy.


Koa mitsangàna ianao, tetezo an-davany sy an-tsakany ny tany, fa homeko anao izy.»


Dia nandeha izy ka nifindrafindra lasy avy any atsimo ka hatreo Betela amin’ilay niorenany lay tamin’ny voalohany, anelanelan’i Betela sy i Hay;


Be lavaka ditin-tany tao an-dohasahan’i Sidima, ary nandositra ny mpanjakan’i Sôdôma sy ny mpanjakan’i Gômôra ka latsaka tamin’ireny, ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.


Hozahanareo ny tany, ny toetrany, ary ny olona monina eo aminy, na matanjaka na osa izy ireo, na vitsy na maro;


I Amaleka no monina amin’ny faritanin’ny Negeba; ny Heteanina, ny Jebozeanina, ary ny Amôreana no monina amin’ny tendrombohitra; ary ny Kananeanina no monina amin’ny moron-dranomasina sy ny amoron’i Jordany.»


Nifoha maraina koa izy ireo, dia niakatra tany an-tampon’ny tendrombohitra, ka nanao hoe: «Indreto izahay hiakatra any amin’ny fitoerana voalazan’i Iaveh, fa efa nanota izahay.»


Kanjo nivoaka hanehatra anareo ny Amôreana izay monina amin’izany tendrombohitra izany, ka notanahiny ianareo toy ny fanaon’ny renitantely sy noreseny tao Seira ka hatrany Hormà.


Nasian’i Jôsoe avokoa ny tany manontolo, ny tendrombohitra, ny Negeba, ny tany lemaka sy ny tanety, mbamin’ny mpanjakany rehetra; tsy navelany hisy afa-nandositra, fa nataony anatema avokoa rehefa mety ho manana aina koa, araka izay nandidian’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.


ka nitohy ao atsimon’ny fiakarana Akrabima, dia mahazo an’i Sina, sy miakatra any atsimon’i Esrôna, niakatra mankany Adara, niolaka any Karkaà,


Nandefa mpisafo tany roalahy mangingina avy tany Setima i Jôsoe zanak’i Nona, nataony hoe: «Mandehana, zahao ny tany, sy i Jerikô.» Dia niainga izy roa lahy, ka tonga tao amin’ny tranon’ity vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ary nandry tao.


Ary hoy ny navaliny azy: «Omeo tombom-pitia aho, fa tany tsy misy rano no nametrahanao ahy, ka mba omeo loharano aho.» Dia nomen’i Kaleba ny loharano ambony sy ny loharano ambany izy.


Nomba an’i Jodà i Iaveh ka lasany ny tendrombohitra; tsy voaroakany anefa ny mponina amin’ny tany lemaka; fa nanan-kalesy vy ireny.


Taorian’izany dia nidina ny taranak’i Jodà hiady amin’ny Kananeanina monina amin’ny tendrombohitra, ny Negeba ary ny Sefelà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra