Dia nilaozan’ny Filistinina teo ireo andriamaniny ka nasain’i Davida nodorana tamin’ny afo.
Eksodosy 12:12 - DIEM PROTESTANTA «Hamakivaky ao amin’ny tany Ejipta Aho amin’io alina io, ka hamono ny lahimatoa rehetra ao aminy manomboka amin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy. Hotanterahiko ny didim-pitsarana hamelezana ny andriamanitry ny Ejiptianina rehetra. Izaho no TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa handeha hamakivaky ny tany Ejipta amin’izany alina izany Aho ka hamono ny lahimatoa rehetra ao amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy. Hanao fitsarana amin’ireo andriamanitry ny Ejiptiana rehetra Aho. Izaho no TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Hamakivaky ao amin’ny tany Ejipta Aho amin’io alina io, ka hamono ny lahimatoa rehetra ao aminy manomboka amin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy. Hotanterahiko ny didim-pitsarana hamelezana ny andriamanitry ny Ejiptianina rehetra. Izaho no TOMPO. Baiboly Katolika Handalo mamaky ny tany Ejipta Aho amin’io alina io, ka ny lahy matoa rehetra amin’ny tany Ejipta hovonoiko, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby, ary misy fitsarana hoefaiko momba ny andriamanitr’i Ejipta rehetra: fa Izaho no Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin’izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin’ny tany Egypta hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah. Malagasy Bible Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin'izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin'ny tany Egypta hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah. La Bible en Malgache Fa handeha hamakivaky ny tany Ejipta amin’izany alina izany Aho ka hamono ny lahimatoa rehetra ao amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy. Hanao fitsarana amin’ireo andriamanitry ny Ejiptiana rehetra Aho. Izaho no TOMPO. |
Dia nilaozan’ny Filistinina teo ireo andriamaniny ka nasain’i Davida nodorana tamin’ny afo.
Salamo nataon’i Asafa. Mijoro eo anivon’ny fivoriam-be Andriamanitra; eo afovoan’ireo andriamanitra Izy no mitsara ka miteny hoe:
Eny, na misy olona arivo aza maty eo akaikinao ary na iray alina aza miampatra eo ankavananao, dia tsy hisy loza hihatra aminao akory.
Fa handalo mba hanafay ny Ejiptianina ny TOMPO; koa raha mahita ny ra eo amin’ny tataom-baravarana sy ny tolam-baravarana roa ny TOMPO dia handalo ny varavaranareo fotsiny fa tsy hamela ny areti-mandringana hiditra ao an-tranonareo.
Fantatro izao fa ny TOMPO dia lehibe mihoatra noho ny andriamanitra hafa rehetra; ny zavatra izay nataony rehefa nisetrasetra taminareo ny Ejiptianina no nanehoany izany.
dia hataon’ny tompony vavolombelona Andriamanitra; hankininy amin’ny varavarana na tolam-baravarana ilay rangahy, ka hotevehiny amin’ny fanjaibe ny sofiny, ary dia ho mpanompony raikitra izy.
«Aza avelanareo ho tratra aoriana ny fanateranareo amiko ny santa-bokatrareo sy ny santatry ny divainareo. «Tsy maintsy hatokanareo ho Ahy ny lahimatoanareo.
Nony ampitso dia notanterahin’ny TOMPO izay efa nambarany, ka maty avokoa ny biby fiompin’ny Ejiptianina; fa ny an’ny Israelita kosa dia tsy nisy maty na iray aza.
Hafatra momba an’i Ejipta. Indro tonga any Ejipta ny TOMPO nitaingina rahona haingam-pandeha. Mangorohoro ny andriamani-tsiizy eo anatrehany ka nihaketraka anakampo ny Ejiptianina.
Hodorany amin’ny afo ny tempolin’ireo andriamanitry ny Ejiptianina, hodorany koa ireo andriamanitry ny Ejiptianina na hoentiny ho babo any aminy. Tahaka ny hitsimponan’ny mpiandry ondry ny haofotsy amin’ny fitafiany no hitsimponany an’i Ejipta. Avy eo dia hiala am-pilaminana izy.
Hotorotoroin’i Nebokadnetsara koa ireo vato mitsangana ao Heliôpôly ary horavany amin’ny afo ireo tempolin’ny andriamanitry ny Ejiptianina.› »
Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Indro Aho hirotsaka an-tsehatra hamely an’i Amôna andriamanitr’i Teba, hamely an’i Ejipta sy ny andriamaniny ary ny mpanjakany, eny, hamely ny Farao sy izay rehetra miantehitra aminy.
Nefa hamelako olona vitsivitsy ihany izy, dia ny sisa tavela tsy ringan’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana: ireo no hitantara amin’ny firenen-kafa misy azy ny zavatra rehetra maharikoriko nataony, ka hoeken’ny firenen-kafa koa fa Izaho no TOMPO.»
Any amin’ny tanimboaloboka rehetra dia hisy tomanim-pisaonana, satria handalo ao aminareo Aho. Izaho TOMPO no miteny.»
Hahatsiravina ny hataon’ny TOMPO aminy; hofoanany avokoa ireo andriamanitry ny olombelona. Koa na ireo hafa firenena faran’izay lavitra aza dia hiankohoka avokoa hitsaoka Azy, samy any amin’ny taniny avy.
Mbola nandevina ny lahimatoany izay novonoin’ny TOMPO ho faty izy ireo: izany no nampiharan’ny TOMPO tamin’ny andriamaniny ny didy fanamelohana.
Ny ampitso, rehefa nifoha ny mponin’i Asdôda, dia nahita ny sarivongan’i Dagôna nidaboka nihohoka tamin’ny tany teo anoloan’ny Vatamasin’ny TOMPO; natsangan’izy ireo izy ka napetrany indray tamin’ny toerany.
Koa manaova sarin’ny kitsonareo sy sarin’ny totozy mpandevona ny taninareo ary atolory izany ho fanomezam-boninahitra ny Andriamanitr’i Israely. Angamba mba hitsahatra tsy hanampatra ny heriny aminareo sy amin’ny andriamanitrareo ary amin’ny taninareo Izy.