Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 43:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Hotorotoroin’i Nebokadnetsara koa ireo vato mitsangana ao Heliôpôly ary horavany amin’ny afo ireo tempolin’ny andriamanitry ny Ejiptianina.› »

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ary hotorotoroiny ny tsangambaton-tsampy ao Bety-Semesy, izay any amin’ny tany Ejipta; ary hodorany amin’ny afo ny tranon’ny andriamanitr’i Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Hotorotoroin’i Nebokadnetsara koa ireo vato mitsangana ao Heliôpôly ary horavany amin’ny afo ireo tempolin’ny andriamanitry ny Ejiptianina.› »

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Ireo tsangam-bato ao an-tranon’ny Masoandro, eo amin’ny tany Ejipta, hotorotoroina, ary ireo tranon’ny andriamanitr’i Ejipta hodorana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary hotorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy ao Beti-semesy, izay any amin’ny tany Egypta; ary hodorany amin’ny afo ny tranon’ny andriamanitr’i Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary hotorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy ao Beti-semesy, izay any amin'ny tany Egypta; ary hodorany amin'ny afo ny tranon'ny andriamanitr'i Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 43:13
13 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia nomen’ny Farao anarana hoe Tsafenata-Pahenea i Jôsefa, sady nomeny azy ho vady i Asenata zanakavavin’i Pôtifara, mpisorona tao Ona. Dia niainga hisafo ny tany Ejipta manontolo i Jôsefa.


Hafatra momba an’i Ejipta. Indro tonga any Ejipta ny TOMPO nitaingina rahona haingam-pandeha. Mangorohoro ny andriamani-tsiizy eo anatrehany ka nihaketraka anakampo ny Ejiptianina.


Amin’izany andro izany, dia hisy tanàna dimy hiteny hebreo any Ejipta sady hianiana hiraiki-po amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao. Ka ny anaran’ny tanàna anankiray dia hatao hoe Tanànan’ny masoandro.


Niletsy sy nihareraka ireo andriamanitra ka tsy afa-mamonjy ny sarivongany intsony: na dia ny tenany aza lasan-ko babo.


Izao àry no holazainareo aminy: ireo andriamanitra tsy nanao ny lanitra sy ny tany ireo dia holevonina tsy ho etỳ an-tany intsony, sady tsy hanan-toerana atỳ ambanin’ny lanitra.


Dia tonga ny anjaran’ny firenen-kafa: –Ny Farao mpanjakan’i Ejipta sy ireo tandapany ary ny mpifehiny mbamin’ny vahoakany rehetra,


Hodorany amin’ny afo ny tempolin’ireo andriamanitry ny Ejiptianina, hodorany koa ireo andriamanitry ny Ejiptianina na hoentiny ho babo any aminy. Tahaka ny hitsimponan’ny mpiandry ondry ny haofotsy amin’ny fitafiany no hitsimponany an’i Ejipta. Avy eo dia hiala am-pilaminana izy.


Nisy hafatra tonga tamin’i Jeremià ho an’ny Jodeanina rehetra izay nonina tany Ejipta tao an-tanànan’i Migdôla sy i Tahapanehesa sy i Memfisa ary tao amin’ny faritanin’i Patrôsa. Ka hoy i Jeremià taminy:


Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Indro Aho hirotsaka an-tsehatra hamely an’i Amôna andriamanitr’i Teba, hamely an’i Ejipta sy ny andriamaniny ary ny mpanjakany, eny, hamely ny Farao sy izay rehetra miantehitra aminy.


Ny kitron-tsoavaliny no hanitsakitsahany ny lalambenao rehetra; ny mponinao hovonoiny ho faty amin’ny sabatra ary ireo andrim-batonao hazerany amin’ny tany.


«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Horavako tanteraka ireo sampy sy andriamani-tsiizy an’i Memfîsa. Tsy hisy mpitondra intsony any Ejipta ary hataoko manenika io tany io ny tahotra.


Ho faty an’ady ny tovolahin’i Ôna sy i Py-Beseta, ary ny mponina sisa dia hoentina ho babo.


Nentiny ho babo tany Ejipta avokoa ny sarivongan’ireo andriamanitr’izany tany izany miaraka amin’ny fanaka sarobidy volafotsy sy volamena; ary hijanona elaela tsy hamely an’ilay mpanjaka ao avaratra izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra