Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 12:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Fa handalo mba hanafay ny Ejiptianina ny TOMPO; koa raha mahita ny ra eo amin’ny tataom-baravarana sy ny tolam-baravarana roa ny TOMPO dia handalo ny varavaranareo fotsiny fa tsy hamela ny areti-mandringana hiditra ao an-tranonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Fa handeha hamely ny Ejiptiana NY TOMPO; ary raha mahita ny ra eo amin’ny tataom-baravarana sy ny tolàna roa NY TOMPO dia handalo fotsiny ny varavarana ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Fa handalo mba hanafay ny Ejiptianina ny TOMPO; koa raha mahita ny ra eo amin’ny tataom-baravarana sy ny tolam-baravarana roa ny TOMPO dia handalo ny varavaranareo fotsiny fa tsy hamela ny areti-mandringana hiditra ao an-tranonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 fa hiteny amin’i Ejipta i Iaveh hamely azy, ary rehefa mahita ny ra eo amin’ny tatao aman-tolàm-baravarana roa, dia handalo fotsiny ny varavaranareo i Iaveh, ary tsy hamela ny mpandringana hiditra hamely ao an-tranonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny ra eo amin’ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny rà eo amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Fa handeha hamely ny Ejiptiana NY TOMPO; ary raha mahita ny ra eo amin’ny tataom-baravarana sy ny tolàna roa NY TOMPO dia handalo fotsiny ny varavarana ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 12:23
14 Rohy Ifampitohizana  

Fa raha naninji-tanana hamely an’i Jerosalema ny anjelin’ny Tompo, dia nanenina ny amin’ny loza ny TOMPO, ka niteny tamin’Ilay anjely mpandringana hoe: –Aoka izay! Aketraho ny tananao ankehitriny! Tamin’izay ity anjelin’ny TOMPO dia teo amin’ny famoloan’i Araonà, ilay Jebosita.


Andriamanitro ô, raha mba nafeninao tany amin’ny toeran’ny maty aho ka notoloranao fialofana hiereko mandra-pitony ny fahatezeranao! ka aorian’izay dia hahatsiaro ahy Ianao!


Ka hoy i Mosesy tamin’ny Farao: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Rehefa tokony ho misasakalina dia hipoitra eo anivon’i Ejipta Aho.


Hanalanareo ny rany ka hanosoranareo ny tolam-baravarana roa sy ny tataom-baravarana isan-trano hihinanana azy.


Ndeha miditra any an-tranonao, ry fireneko, ka hidio mafy ny varavarana; miere kely indray mipy maso monja ianao mandra-pisindan’ny fahatezeran’ny Tompo.


Dia niainga hankao an-tobin’ny Asirianina ilay anjelin’ny TOMPO ka nisy 185 ny antoko-miaramila naripany; ary raha vao nifoha ny sisa velona tamin’ny maraina, dia nahita fa efa maty avokoa ireo.


ka nanao taminy hoe: «Mandehana mamakivaky eran’ny tanànan’i Jerosalema, ka asio marika eny an-kandrin’izay rehetra mitaraina sy malahelo noho ny fomba rehetra maharikoriko atao eo aminy.»


Aringano na antitra na tanora, mbamin’ny tovovavy sy ny ankizy ary ny vehivavy. Kanefa aza kasihina izay mitondra ilay marika. Atombohy eto amin’ny Toeramasiko izany.» Dia nanomboka namono ireo loholona izay teo anoloan’ny tempoly izy.


Aoka ianareo tsy himonomonona toy ny nataon’ny sasany tamin’ireny, izay maty naripak’ilay anjely mpandringana.


Finoana no nanorenan’i Mosesy ny fankalazana ny Paska sy nanomezany baiko hanentenana ra ny varavarana, fandrao mikasika ireo lahimatoa israelita ilay anjely mpandringana ka mamono azy.


Ny efa nohatoninareo dia i Jesoa, mpanalalana amin’ny Fanekempihavanana Vaovao, ary koa ny rany nafafy izay miteny tsara lavitra noho ny ran’i Abela.


nanao hoe: «Aza manimba ny tany na ny ranomasina na ny hazo ianareo, mandra-panisinay tombokase eo an-kandrin’ireo mpanompon’Andriamanitsika.»


Dia nilazana ny valala mba tsy hamely ny ahitra amin’ny tany na ny zava-maitso na ny hazo, fa ny olona tsy manana ny tombokasen’Andriamanitra eo an-kandriny ihany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra