Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 12:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Makà rantsana hisôpa iray fihina ka atsobohy ao amin’ny ran’ny zanakondry ao anaty koveta, dia hosory ra ny tolàm-baravarana roa sy ny tataom-baravaran’ny tranonareo; ary aoka tsy hisy olona hivoaka ny tranony intsony ambara-pahamarainan’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Dia makà hisopa iray fihina ka atsobohy amin’ny ra izay ao anatin’ny bakoly, ary ny ra izay ao anatin’ny bakoly dia ahosory amin’ny tataom-baravarana sy ny tolàna roa. Aza misy mivoaka ny varavaran’ny tranonareo ianareo mandra-paharain’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Makà rantsana hisôpa iray fihina ka atsobohy ao amin’ny ran’ny zanakondry ao anaty koveta, dia hosory ra ny tolàm-baravarana roa sy ny tataom-baravaran’ny tranonareo; ary aoka tsy hisy olona hivoaka ny tranony intsony ambara-pahamarainan’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Dia makà hisopa iray fihina, atsobohy ao anatin’ny ra eo amin’ny lovia, ka tenteno amin’ny ra ao anatin’ny lovia ny tatao sy ny tolàm-baravarana roa. Aza misy mivoaka ny trano ianareo mandra-pahamarain’ny andro;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin’ny ra izay ao anatin’ny bakoly ary ny ra izay ao anatin’ny bakoly dia anenteno amin’ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran’ny tranonareo avy hianareo ambara-pahamarain’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin'ny rà izay ao anatin'ny bakoly ary ny rà izay ao anatin'ny bakoly dia anenteno amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran'ny tranonareo avy ianareo ambara-pahamarain'ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Dia makà hisopa* iray fihina ka atsobohy amin’ny ra izay ao anatin’ny bakoly, ary ny ra izay ao anatin’ny bakoly dia ahosory amin’ny tataom-baravarana sy ny tolàna roa. Aza misy mivoaka ny varavaran’ny tranonareo ianareo mandra-paharain’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 12:22
13 Rohy Ifampitohizana  

Jereo fa meloka aho no teraka, mpanota raha notorontoronina;


Hanalanareo ny rany ka hanosoranareo ny tolam-baravarana roa sy ny tataom-baravarana isan-trano hihinanana azy.


Ndeha miditra any an-tranonao, ry fireneko, ka hidio mafy ny varavarana; miere kely indray mipy maso monja ianao mandra-pisindan’ny fahatezeran’ny Tompo.


Haka hisôpa ny lehilahy madio iray ka hanatsoboka izany ao amin’ny rano, dia hofafazany ny lay misy ny maty sy ny fitoeran-javatra rehetra ary ny olona ao; na koa hofafazany rano izay sendra nikasika taolam-paty na olona maty novonoina na olona maty ho azy na fasana.


Ary rehefa avy nihira ny salamo fiderana i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitra Analanôliva.


Finoana no nanorenan’i Mosesy ny fankalazana ny Paska sy nanomezany baiko hanentenana ra ny varavarana, fandrao mikasika ireo lahimatoa israelita ilay anjely mpandringana ka mamono azy.


Ny efa nohatoninareo dia i Jesoa, mpanalalana amin’ny Fanekempihavanana Vaovao, ary koa ny rany nafafy izay miteny tsara lavitra noho ny ran’i Abela.


Ny Fanekempihavanana voalohany dia nanana fitsipika momba ny fanompoam-pivavahana ary nanana Toeramasina tetỳ an-tany.


vao mainka ny ran’i Kristy no hanadio ny fieritreretantsika; fa tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izay velona mandrakizay no nanoloran’i Kristy ny tenany ho sorona tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra; ka ny rany dia manadio ny fieritreretantsika ho afaka amin’ireo asa mitondra fahafatesana, mba hanompoantsika an’ilay Andriamanitra velona.


Fa nolazain’i Mosesy tamin’ny vahoaka manontolo aloha ny didy rehetra araka ny lalàna; avy eo dia nalainy ny ran-janakomby sy ny ran’osilahy nampiana rano, ka nafafiny tamin’ny bokin’ny lalàna sy tamin’ny vahoaka manontolo; ravina hisôpa sy volonondry mena no namafazany izany.


Raha misy olona mivoaka ho any ivelan’ny trano, dia izy ihany no tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany fa tsy izahay. Ireo rehetra miaraka aminao ao an-tranonao kosa, raha misy olona mamely azy, dia izahay no tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany.


Voafidy araka ny efa voatendrin’Andriamanitra Ray ianareo ary voatokana ho Azy noho ny asan’ny Fanahy Masina, mba hanaiky an’i Jesoa Kristy sy hanana anjara amin’ny famafazana ny rany. Hampitomboina ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra