Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 12:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Niantso ny loholon’i Israely rehetra i Mosesy ka nanao taminy hoe: –Mandehana ianareo ka makà zanakondry na zanakosy ho an’ny fianakavianareo avy, dia vonoy ho sakafo Paska.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Dia niantso ny loholon’ny Israely rehetra i Mosesy ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo dia makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy ka vonoy ny Paska.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Niantso ny loholon’i Israely rehetra i Mosesy ka nanao taminy hoe: –Mandehana ianareo ka makà zanakondry na zanakosy ho an’ny fianakavianareo avy, dia vonoy ho sakafo Paska.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Dia novorin’i Môizy ny loholona rehetra amin’i Israely, ka nilazany hoe: «Mifidiana sy makà zanak’ondry iray ho an’ny fianakavianareo, ka vonoy ny Paka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Dia nampanalain’i Mosesy ny loholon’ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana hianareo ka makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Dia nampanalain'i Mosesy ny loholon'ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo ka makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Dia niantso ny loholon’ny Israely rehetra i Mosesy ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo dia makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy ka vonoy ny Paska.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 12:21
18 Rohy Ifampitohizana  

Nomen’ny mpanjaka baiko ny vahoaka rehetra mba hankalaza ny fetin’ny Paska ho voninahitry ny TOMPO Andriamaniny, araka ny voasoratra amin’ity bokin’ny fanekempihavanana ity.


Samy efa nanao fidiovan-tena rahateo ny mpisorona sy ny levita, ka dia nadio izy rehetra; hany ka afaka namono ny zanakondrin’ny Paska ireo levita na ho an’ny sarambabem-bahoaka na ho an’ny mpisorona mpiray foko aminy na ho an’ny tenany.


Ary toy izao no hataonareo rehefa mihinana azy: asio sikina ny akanjonareo, anaovy ny kapanareo ary ataovy an-tanana ny tehinareo, dia hano faingana izany fa Paska ho an’ny TOMPO.


Koa tsy azonareo hanina ny sakafo misy ny leviora rehetra. Na aiza na aiza no hitoeranareo dia mofo tsy misy leviora no hohaninareo.»


Ambarao amin’ny fiangonana israelita manontolo hoe: Amin’ny fahafolon’ity volana ity dia samia maka zanakondry iray avy isan-trano na isam-pianakaviana.


Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy hoe: –Mandalova eo anoloan’ny vahoaka, makà vitsivitsy amin’ny loholon’i Israely hiaraka aminao. Ento eny an-tananao ilay tehinao izay nikapohanao ny ranon’i Neily ka mandehana.


Niverina teo an-toby i Mosesy, nampiantso ny loholon’i Israely ary nampita tamin’izy ireo ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO azy.


Mandehana, vorio ny loholon’i Israely ka ilazao hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no efa niseho tamiko ka nilaza fa nitsinjo anareo sy nahita ny fomba afitsoka anareo atỳ Ejipta;


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Anangòny fitopolo lahy amin’ny loholon’i Israely aho, dia izay fantatrao fa loholona sy tompon’andraikitra amin’ny vahoaka. Ento miaraka aminao ao amin’ny Tranolay fihaonana izy.


ary nisotro fisotrom-panahy iray ihany izy rehetra; satria nisotro teo amin’ilay vatolampy ara-panahy tafara-dia taminy: ka izany vatolampy izany dia i Kristy.


Finoana no nanorenan’i Mosesy ny fankalazana ny Paska sy nanomezany baiko hanentenana ra ny varavarana, fandrao mikasika ireo lahimatoa israelita ilay anjely mpandringana ka mamono azy.


Dia nitoby tao Gilgala ny Israelita, teo amin’ny tany lemaka akaikin’i Jerikao, ka nankalaza ny Paska fony harivan’ny andro faha-14 tamin’io volana io.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra