Nangonin’i Jôsefa ny tahirim-bokatra rehetra tany Ejipta nandritra izany fito taona izany ka natobiny tao amin’ny renivohitry ny boriborin-tany ireo tahirim-bokatra rehetra tamin’ny saha manodidina.
1Tantara 27:25 - DIEM PROTESTANTA I Hazmavety, zanakalahin’i Hadiela, no mpiandraikitra ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka. I Jônatàna, zanakalahin’i Hozià, no mpiandraikitra ny trano fitahirizam-bokatra, na tany ambanivohitra na tamin’ny tanàn-dehibe na tamin’ny tanàna kely na tamin’ny tilikambo fiarovana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny tonian’ny trano fitahirizan’ny mpanjaka dia i Azmaveta, zanak’i Adiela; ny tonian’ny trano fitahirizana tany ambanivohitra, na tamin’ny tanàna, na tamin’ny vohitra, na tamin’ny tilikambo, dia i Jonatana, zanak’i Ozia; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Hazmavety, zanakalahin’i Hadiela, no mpiandraikitra ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka. I Jônatàna, zanakalahin’i Hozià, no mpiandraikitra ny trano fitahirizam-bokatra, na tany ambanivohitra na tamin’ny tanàn-dehibe na tamin’ny tanàna kely na tamin’ny tilikambo fiarovana. Baiboly Katolika I Asmota zanak’i Adiela no tonian’ny rakitry ny mpanjaka, i Jonatàna zanak’i Oziasa no amin’ny rakitra, na an-tsaha na an-tanàna, na amin’ny zana-bohitra na amin’ny tilikambo; Baiboly Protestanta Malagasy ARY ny tonian’ny rakitry ny mpanjaka dia Azmaveta, zanak’i Adiela; ary ny tonian ny trano firaketana tany ambany vohitra, na tamin’ny tanàna, na tamin’ny vohitra, na tamin’ny tilikambo, dia Jonatana, zanak’i Ozia; Malagasy Bible Ary ny tonian'ny rakitry ny mpanjaka dia Azmaveta, zanak'i Adiela; ary ny tonian ny trano firaiketana tany ambany vohitra, na tamin'ny tanàna, na tamin'ny vohitra, na tamin'ny tilikambo, dia Jonatana, zanak'i Ozia; La Bible en Malgache Ny tonian’ny trano fitahirizan’ny mpanjaka dia i Azmaveta, zanak’i Adiela; ny tonian’ny trano fitahirizana tany ambanivohitra, na tamin’ny tanàna, na tamin’ny vohitra, na tamin’ny tilikambo, dia i Jonatana, zanak’i Ozia; |
Nangonin’i Jôsefa ny tahirim-bokatra rehetra tany Ejipta nandritra izany fito taona izany ka natobiny tao amin’ny renivohitry ny boriborin-tany ireo tahirim-bokatra rehetra tamin’ny saha manodidina.
Dia nomen’i Hezekià azy ny volafotsy rehetra tao an-tranon’ny TOMPO sy tao amin’ny rakitry ny lapan’ny mpanjaka.
Nanomboka fanisana i Jôaba zanakalahin’i Tseroià fa tsy namarana, noho ny fahatezeran’Andriamanitra vokatr’izany tamin’i Israely; ka tsy voasoratra ao amin’ilay boky atao hoe «Tantaran’i Davida mpanjaka» ny isan’ny mponina.
Novorin’i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin’ny Israely: filohan’ireo foko, lehiben’ny andian-tafika manompo ny mpanjaka, komandin-tafika mpifehy arivo na mpifehy zato, mpiandraikitra ny fananana sy biby fiompy rehetra an’ny mpanjaka sy an-janany, tandapa, lehilahy mahery, izany hoe ny manampahefana rehetra.
Tamin’zay, dia samy nanolotra fanomezana an-tsitrapo avokoa ny lohan-pianakaviana, ny filohan’ireo fokon’i Israely, ny komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato, mbamin’ny mpiandraiki-draharahan’ny mpanjaka
Koa nangalan’i Asà volafotsy sy volamena ny raki-tsoa tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka; dia nalefany ho an’i Bena-Hadada mpanjakan’i Siria izay nipetraka tany Damasy izany sady nombany hafatra hoe:
Nanao tilikambo fiambenana ihany koa izy tao an-taniefitra sady nihady lavaka maro ho famorian-drano, satria nanana omby aman’ondry betsaka izy teny amin’ny faritr’i Sefelà sy teny amin’ny lemaka; ary nanana mpiasa tany teny an-kavoana sy mpamboly voaloboka teny an-tanimboaloboka koa ny mpanjaka, satria tia asa tany tokoa izy.
Dia nanendry lehiben’ny asa fanompoana ny Ejiptianina mba hampikoy ny Israelita amin’ny asa mafy. Koa nanangana ny tanàna Pitôma sy Rahamsesa ny Israelita mba ho fitahirizam-bokatra ho an’ny Farao.
Nisy folo lahy tamin’ireo anefa niteny tamin’i Jismahela hoe: –Aza vonoina izahay fa manana tahirin-tsakafo miafina any an-tsaha, dia varim-bazaha sy ôrza ary diloilo sy tantely. Koa tsy nampamonoin’i Jismahela niaraka tamin’ireo namany izy folo lahy.