Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 29:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Tamin’zay, dia samy nanolotra fanomezana an-tsitrapo avokoa ny lohan-pianakaviana, ny filohan’ireo fokon’i Israely, ny komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato, mbamin’ny mpiandraiki-draharahan’ny mpanjaka

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Dia samy nazoto nanatitra zavatra ny lohan’ny fianakaviana sy ny lehiben’ny fokon’ny Israely ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin’ny mpitandrina ny raharahan’ny mpanjaka

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Tamin’zay, dia samy nanolotra fanomezana an-tsitrapo avokoa ny lohan-pianakaviana, ny filohan’ireo fokon’i Israely, ny komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato, mbamin’ny mpiandraiki-draharahan’ny mpanjaka

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Dia nanolotra fanatitra an-tsitrapo ny loham-pianakaviana, ny loham-pokon’i Israely, ny tomponarivo, ny tompon-jato ary ny tonian-draharahan’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Dia samy nazoto nanatitra zavatra ny lohan’ny fianakaviana sy ny lehiben’ny firenen’Isiraely ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin’ny mpitandrina ny raharahan’ny mpanjaka

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Dia samy nazoto nanatitra zavatra ny lohan'ny fianakaviana sy ny lehiben'ny firenen'Isiraely ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin'ny mpitandrina ny raharahan'ny mpanjaka

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Dia samy nazoto nanatitra zavatra ny lohan’ny fianakaviana sy ny lehiben’ny fokon’ny Israely ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin’ny mpitandrina ny raharahan’ny mpanjaka

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 29:6
9 Rohy Ifampitohizana  

Indray andro dia hoy i Jôasy tamin’ireo mpisorona: –Angoninareo izay vola rehetra entina ato an-tranon’ny TOMPO, dia ny vola nandoavan’ny olona ny hetrany na ny vola natolotra an-tsitrapo. Asaivo hangonin’ireo mpandray vola voatendry izany ka hampiasainareo hanamboarana izay hitanareo fa simba amin’ny tempoly.


I Hazmavety, zanakalahin’i Hadiela, no mpiandraikitra ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka. I Jônatàna, zanakalahin’i Hozià, no mpiandraikitra ny trano fitahirizam-bokatra, na tany ambanivohitra na tamin’ny tanàn-dehibe na tamin’ny tanàna kely na tamin’ny tilikambo fiarovana.


Novorin’i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin’ny Israely: filohan’ireo foko, lehiben’ny andian-tafika manompo ny mpanjaka, komandin-tafika mpifehy arivo na mpifehy zato, mpiandraikitra ny fananana sy biby fiompy rehetra an’ny mpanjaka sy an-janany, tandapa, lehilahy mahery, izany hoe ny manampahefana rehetra.


Iza àry, amin’izao andro anio izao, no mba mazoto hanolotra fanomezana an-tsitrapo amin’ny TOMPO mba hanaovan’ireo mpahay taozavatra ny fanaka volamena sy volafotsy ary ny asa isan-karazany?


Ny mpandraharahan’i Jôsià koa dia nanome biby ho an’ny vahoaka sy ho an’ny mpisorona ary ho an’ny levita. I Hilkià sy i Zakarià ary i Jehiela izay samy mpiandraikitra ny tranon’Andriamanitra, dia nanome ondry aman’osy 2 600 ary omby roa arivo ho an’ny mpisorona mba hatao soron’ny Paska.


ary dia hoentinao koa ny fanomezana rehetra volafotsy sy volamena izay ho azonao eran’ny faritr’i Babilôna, miaraka amin’ny fanomezana an-tsitrapo aterin’ireo mpiray firenena aminao na mpisorona na sarambabem-bahoaka, mba ho an’ny tranon’Ilay Andriamaniny izay any Jerosalema.


Aoka samy hanome araka izay nokasain’ny fony avy, tsy amin’alahelo na an-terivozona, satria ny mpanome an-kafaliana no tian’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra