Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 26:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Nanao tilikambo fiambenana ihany koa izy tao an-taniefitra sady nihady lavaka maro ho famorian-drano, satria nanana omby aman’ondry betsaka izy teny amin’ny faritr’i Sefelà sy teny amin’ny lemaka; ary nanana mpiasa tany teny an-kavoana sy mpamboly voaloboka teny an-tanimboaloboka koa ny mpanjaka, satria tia asa tany tokoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Nanorina tilikambo tany an-tany efitra koa izy sady nihady lavaka maro ho famorian-drano, fa nanana omby aman’ondry betsaka tany Sefela sy teny an-tanety izy sady nanana mpiasa sy mpamboatra tanim-boaloboka teny an-tendrombohitra ary tany Karmela, fa tia asa tany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Nanao tilikambo fiambenana ihany koa izy tao an-taniefitra sady nihady lavaka maro ho famorian-drano, satria nanana omby aman’ondry betsaka izy teny amin’ny faritr’i Sefelà sy teny amin’ny lemaka; ary nanana mpiasa tany teny an-kavoana sy mpamboly voaloboka teny an-tanimboaloboka koa ny mpanjaka, satria tia asa tany tokoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Nanao tilikambo tany an’efitra koa izy; ary nihady lavaka famorian-drano betsaka, fa nanana biby fiompiny maro tany, sy tany amin’ny Sefelà mbamin’iny tany lemaka avo, ary nanana mpiasa amam-pamboly voaloboka koa tany an-tendrombohitra sy tany Karmela, fa tia asa tany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary nanao tilikambo tany an-efitra koa izy sady nihady lavaka maro ho famorian-drano; fa izy nanana omby aman-ondry betsaka teny an-tany lemaka sy teny an-tanety ary mpiasa koa sy mpamboatra tanimboaloboka teny an-tendrombohitra sy teny Karmela koa; fa tia asa tany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary nanao tilikambo tany an-efitra koa izy sady nihady lavaka maro ho famorian-drano; fa izy nanana omby aman'ondry betsaka teny an-tany lemaka sy teny an-tanety ary mpiasa koa sy mpamboatra tanim-boaloboka teny an-tendrombohitra sy teny Karmela koa; fa tia asa tany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Nanorina tilikambo tany an-tany efitra koa izy sady nihady lavaka maro ho famorian-drano, fa nanana omby aman’ondry betsaka tany Sefela sy teny an-tanety izy sady nanana mpiasa sy mpamboatra tanim-boaloboka teny an-tendrombohitra ary tany Karmela, fa tia asa tany izy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 26:10
13 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny alalan’ny irakao no nanevatevanao Ahy Tompo. Hoy ianao hoe: ‹Izaho Saneheriba dia ny kalesiko marobe no niakarako teny an-tampon-tendrombohitra hatreo afovoan-tanin’i Libano, mba hikapa ny sedera mijoalajoala sy ny kipreso voafantina ao aminy. Hiakarako ao ny tendrombohitra faran’izay avo sy ny tahirin’alany matevina indrindra.


Ary niompy ondry maro i Mesà mpanjakan’i Môaba ka nandoa hetra zanak’ondry 100 000 sy ondrilahy 100 000 mbamin’ny volony ho an’ny mpanjakan’i Israely.


Nandroso hery hatrany i Jôsafata ka nanao manda fiarovana sy tanàna fitahirizam-bokatra manerana an’i Joda.


Nanana tahirim-bokatra betsaka tao amin’ny tanànan’i Joda izy, ary koa miaramila maherifo tao Jerosalema.


Nanana tafika i Hozià, dia tafika afa-mifanandrina amin’ny fahavalo sy vonona hiatrika ady; notsinjaraina ho vondro-miaramila izany, araka ny vokatry ny fanisana notontosain’i Jehiela mpitantsoratra sy i Mahaseià mpitantan-draharaha, sady napetraka ho eo ambany fifehezan’i Hananià izay anankiray tamin’ireo komandy voatendrin’ny mpanjaka.


Nanao tanàna maro ho an’ny tenany koa i Hezekià sady nanana ondry aman’osy ary omby betsaka, satria nomen’Andriamanitra fananana be dia be izy.


Tsara kokoa ho an’ny firenena ny manana mpanjaka izay mampandroso ny asa fambolena.


Moa tsy afaka fotoana kely monja dia hovana ho saha mahavokatra ny alan’i Libano, ary hovana ho ala ny saha mahavokatra?


Nalaintsika ny tanàna rehetra amin’ny lembalemba, nalaintsika i Gilehada sy i Basàna manontolo hatrany Salkà sy Edrehỳ izay tanàna nanjakan’i Hôga tany Basàna.


Dia ao koa i Mahôna, i Karmela, i Zifa, i Jôtà,


Ny ampitso vao maraina, dia lasa nitady an’i Saoly i Samoela. Nisy nampandre an’i Samoela fa tonga tao Karmela i Saoly, dia nanangana tsangambato ho an’ny tenany ary lasa indray nidina hatrany Gilgala.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra