Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 16:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Koa nangalan’i Asà volafotsy sy volamena ny raki-tsoa tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka; dia nalefany ho an’i Bena-Hadada mpanjakan’i Siria izay nipetraka tany Damasy izany sady nombany hafatra hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Namoaka volafotsy sy volamena avy tao amin’ny efitrano fitahirizana tao amin’ny ny tranon’NY TOMPO sy avy tao amin’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’ny mpanjaka i Asa dia nampanatitra azy tany amin’i Beny-Hadada, mpanjakan’i Arama, izay nitoetra tany Damaskosy ka nampilazainy hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Koa nangalan’i Asà volafotsy sy volamena ny raki-tsoa tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka; dia nalefany ho an’i Bena-Hadada mpanjakan’i Siria izay nipetraka tany Damasy izany sady nombany hafatra hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Dia namoaka volafotsy sy volamena tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka i Asà, ka nandefa iraka ho any amin’i Ben-Hadada, mpanjakan’i Siria, izay nonina tany Damasa, hilaza hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary Asa namoaka volafotsy sy volamena avy tamin’ny rakitry ny tranon’i Jehovah sy ny tranon’ny mpanjaka, dia nampitondra azy tany amin’i Beni-hadada, mpanjakan’i Syria, izay nitoetra tany Damaskosy, ka nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary Asa namoaka volafotsy sy volamena avy tamin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka, dia nampitondra azy tany amin'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, izay nitoetra tany Damaskosy, ka nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Namoaka volafotsy sy volamena avy tao amin’ny efitrano fitahirizana tao amin’ny ny tranon’NY TOMPO sy avy tao amin’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’ny mpanjaka i Asa dia nampanatitra azy tany amin’i Beny-Hadada, mpanjakan’i Arama, izay nitoetra tany Damaskosy ka nampilazainy hoe:

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 16:2
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia nalain’i Asà ny volafotsy sy ny volamena rehetra sisa tamin’ny raki-tsoa tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka, ka natolony teo an-tanan’ny solotenany; ary nampanateriny tany amin’i Bena-Hadada zanakalahin’i Tabrimôna sy zafikelin’i Heziôna izany, dia i Bena-Hadada mpanjakan’i Siria izay nonina tao Damasy sady nombany hafatra hoe:


Tamin’izany dia niakatra nanafika ny tanànan’i Gata i Hazaela mpanjakan’i Siria, ka nahazo azy; rehefa izany, dia niomana hanafika an’i Jerosalema ihany koa izy.


Dia naka izay volafotsy sy volamena hitany tao an-tranon’ny TOMPO sy tao amin’ny tahirin-dapa i Ahaza ka nandefa izany ho fanomezana ho an’ny mpanjakan’i Asiria.


Dia nomen’i Hezekià azy ny volafotsy rehetra tao an-tranon’ny TOMPO sy tao amin’ny rakitry ny lapan’ny mpanjaka.


Tamin’ny taona faha-36 nanjakàn’i Asà, dia niakatra hanafika ny tanin’i Joda i Bahasà mpanjakan’i Israely ka nanamafy ny tanànan’i Ramà izy mba hisakanan-dalana an’i Asà mpanjakan’i Joda.


«Aoka hisy fanekena amiko sy aminao, toy izay nisy tamin-draiko sy tamin-drainao. Koa indro mandefa volafotsy sy volamena ho anao aho; fa ndeha tsoahy ny fifanekenao tamin’i Bahasà mpanjakan’i Israely mba hialany amin’ny taniko.»


Efa nakan’i Ahaza ampahany aza ny zavatra tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapany ary tao an-tranon’ny manampahefana, ka efa nomeny ny mpanjakan’i Asiria; saingy tsy nahazoany tombontsoa akory izany.


Fanambaràna ny amin’i Damasy. Very hevitra ny ao Hamata sy Harpada! Kivy izy fa nandre ny vaovao ratsy. Manahy sy mitebiteby ny fony ka tsy azo notonena.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra