Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 16:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Tamin’ny taona faha-36 nanjakàn’i Asà, dia niakatra hanafika ny tanin’i Joda i Bahasà mpanjakan’i Israely ka nanamafy ny tanànan’i Ramà izy mba hisakanan-dalana an’i Asà mpanjakan’i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Tamin’ny taona fahenina amby telopolo nanjakan’i Asa dia niakatra hamely ny Joda i Basa, mpanjakan’ny Israely, ka nanamboatra an’i Rama mba tsy hisy hahazoan’i Asa, mpanjakan’i Joda, hivoaka na hiditra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Tamin’ny taona faha-36 nanjakàn’i Asà, dia niakatra hanafika ny tanin’i Joda i Bahasà mpanjakan’i Israely ka nanamafy ny tanànan’i Ramà izy mba hisakanan-dalana an’i Asà mpanjakan’i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Tamin’ny taona faha-36 nanjakan’i Asà dia niakatra hamely an’i Jodà, i Baasà mpanjakan’i Israely, ka naoriny i Ramà mba hisakana ny olon’i Asà tsy hahazo mivoaka sy miditra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 TAMIN’ny taona fahenina amby telo-polo nanjakan’i Asa dia niakatra Basa, mpanjakan’ny Isiraely, hamely ny Joda, ka nanamboatra an’i Rama izy mba tsy hisy hahazo hivoaka na hiditra ho an’i Asa, mpanjakan’ny Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Tamin'ny taona fahenina amby telo-polo nanjakan'i Asa dia niakatra Basa, mpanjakan'ny Isiraely, hamely ny Joda, ka nanamboatra an'i Rama izy mba tsy hisy hahazo hivoaka na hiditra ho an'i Asa, mpanjakan'ny Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Tamin’ny taona fahenina amby telopolo nanjakan’i Asa dia niakatra hamely ny Joda i Basa, mpanjakan’ny Israely, ka nanamboatra an’i Rama mba tsy hisy hahazoan’i Asa, mpanjakan’i Joda, hivoaka na hiditra.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 16:1
9 Rohy Ifampitohizana  

Fa raha mbola miakatra hanao sorona ao an-tranon’ny TOMPO any Jerosalema ny vahoaka, dia hitodika amin’i Rehabohama mpanjakan’i Joda tompony indray ny fony; ka hamono ahy ho faty izy ary hiverina any amin’i Rehabohama.»


Ary tsy nisy ady intsony hatramin’ny taona faha-35 nanjakàn’i Asà.


Tamin’izay fotoana izay dia tsy afaka nifamoivoy tamim-pilaminana ny olona; fa horohoro be no nanjo ny mponina rehetra tamin’ny tany.


Nisy Israelita betsaka, avy tamin’ny foko efraîmita sy manasita ary simehônita, nifindra monina sy nanatona an’i Asà rehefa nahita fa niaraka tamin’i Asà ny TOMPO Andriamaniny. Novorîn’ny mpanjaka ireo mbamin’ny Jodeanina sy ny Benjaminita rehetra


Koa nangalan’i Asà volafotsy sy volamena ny raki-tsoa tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka; dia nalefany ho an’i Bena-Hadada mpanjakan’i Siria izay nipetraka tany Damasy izany sady nombany hafatra hoe:


Ary tonga tamin’i Jeremià indray ny teny avy amin’ny TOMPO taorian’ny namotsoran’i Nebozaradàna, lehiben’ny mpiambina azy hiala tao Ramà. Fa nigadra niaraka tamin’ny olon’i Jerosalema sy ny olon’i Joda izay efa hoentin-ko babo any Babilôna i Jeremià.


Ny lava-drano izay nasain’i Jismahela nanipazana ny fatin’ireo olona novonoiny dia lava-drano lehibe izay nasain’i Asà mpanjaka noloahana fony izy niady tamin’i Bahasà mpanjakan’i Israely. Nofenoin’i Jismahela faty izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra