omby mifahy folo, omby an-tondraka roapolo ary ondry zato, afa-tsy ny biby hafa toy ny diera sy ny gazela ary ny osy mbamin’ny gisa matavy.
1Tantara 22:19 - DIEM PROTESTANTA Koa ankehitriny, aoka ny fo amam-panahinareo hifantoka hitady ny TOMPO Andriamanitrareo! Irosoy ny asa, aoreno ilay Toeramasin’ny TOMPO Andriamanitra; ary dia ao amin’ny tempoly haorina ho voninahitry ny TOMPO no hampidiranareo ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO sy hampidiranareo ny fanaka voatokana hanompoana an’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa ankehitriny, ampitadiavo NY TOMPO Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo ka mitsangàna, ary ataovy ny fitoerana masina ho an’NY TOMPO Andriamanitra, hampidirana ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ny fanaka masin’Andriamanitra ho ao amin’ny trano izay hatao ho an’ny anaran’NY TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa ankehitriny, aoka ny fo amam-panahinareo hifantoka hitady ny TOMPO Andriamanitrareo! Irosoy ny asa, aoreno ilay Toeramasin’ny TOMPO Andriamanitra; ary dia ao amin’ny tempoly haorina ho voninahitry ny TOMPO no hampidiranareo ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO sy hampidiranareo ny fanaka voatokana hanompoana an’Andriamanitra. Baiboly Katolika Koa ankehitriny araiketo amin’ny fitadiavana an’i Iaveh Andriamanitrareo ny fo amam-panahinareo, mitsangàna hanao ny fitoerana masina ho an’i Iaveh Andriamanitra, mba hitondra hankatỳ ny fiaran’ny faneken’i Iaveh mbamin’ny fanaka masin’Andriamanitra, ho ao amin’ny trano izay hatao ho an’ny Anaran’i Iaveh.» Baiboly Protestanta Malagasy Koa ankehitriny ampitadiavo an’i Jehovah Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo, ka mitsangàna, ary manaova ny fitoerana masina ho an’i Jehovah Andriamanitra, hampidirana ny fiaran’ny faneken’i Jehovah sy ny fanaka masin’Andriamanitra ho ao amin’ny trano izay hatao ho an’ny anaran’i Jehovah. Malagasy Bible Koa ankehitriny ampitadiavo an'i Jehovah Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo, ka mitsangàna, ary manaova ny fitoerana masina ho an'i Jehovah Andriamanitra, hampidirana ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy ny fanaka masin'Andriamanitra ho ao amin'ny trano izay hatao ho an'ny anaran'i Jehovah. La Bible en Malgache Koa ankehitriny, ampitadiavo NY TOMPO Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo ka mitsangàna, ary ataovy ny fitoerana masina ho an’NY TOMPO Andriamanitra, hampidirana ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ny fanaka masin’Andriamanitra ho ao amin’ny trano izay hatao ho an’ny anaran’NY TOMPO. |
omby mifahy folo, omby an-tondraka roapolo ary ondry zato, afa-tsy ny biby hafa toy ny diera sy ny gazela ary ny osy mbamin’ny gisa matavy.
Nasiako toerana aza teo ho an’ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana nataon’ny TOMPO tamin’ny razantsika, fony Izy nitondra azy niala tany Ejipta.
Ary ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO dia nampidirin’ny mpisorona ho ao amin’ny toerany, tao anatin’ny efitrano atao hoe Toeramasina Indrindra, teo ambanin’ny elatr’ireo kerobima.
Tsy hita isa ny volamena sy ny volafotsy ary ny halimo sy ny vy; koa arosoy ny asa, ary hiaraka aminao anie ny TOMPO!
sady niteny taminy hoe: –Anaka efa mby tato am-poko ny hanorina trano ho an’ny TOMPO Andriamanitro;
«Ianao kosa, ry Salômôna zanako, fantaro ilay Andriamanitra notompoin’ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo manontolo sy amin’ny fanahy mazoto; fa ny TOMPO dia mpandinika ny fon’ny olona rehetra ary mpahafantatra ny fieritreretana rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
Dia natahotra i Jôsafata ka nanapa-kevitra hanontany ny TOMPO sady niantso andro fifadian-kanina manerana an’i Joda manontolo.
Ary ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO dia nampidirin’ny mpisorona ho ao amin’ny toerany tao anatin’ny efitrano atao hoe Toeramasina Indrindra, teo ambanin’ny elatr’ireo kerobima;
ary napetrako tao ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana nataon’ny TOMPO tamin’ny Israelita.
Avy eny an-danitra eny ny TOMPO no miondrika hijery ny olombelona, hizaha sao mba misy olon-kendry izay mitady Azy tokoa.
Zavatra tokana no angatahiko sady irîko fatratra homen’ny TOMPO: dia ny hitoetra ao an-tranony mandritra ny androm-piainako rehetra, mba hianoka amin’ny hatsarampony sy hiandry ny torolalany ao an-tempoliny.
Mitsangàna, ry Jerosalema ô, mamirapirata, satria tonga ny famirapiratanao: ny voninahitry ny TOMPO no manazava anao toy ny masoandro miposaka.
Raha mikatsaka Ahy ianareo, dia hahita Ahy. Izaho TOMPO dia manao teny hentitra aminareo hoe: Raha tadiavinareo amin’ny fonareo manontolo Aho, dia hanaiky ho hitanareo. Hanova izay manjo anareo Aho, ka havoakako avy any amin’ny firenen-kafa ianareo. Hangoniko ianareo ka haveriko eto amin’ny toerana izay nandefasako anareo ho babo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.›
Ary nitodika tamin’ny Tompo Andriamanitra aho mba hanao vavaka fitarainana sy fifonana ombàn’ny fifadian-kanina sy ny fitafiana lamba fisaonana ary ny fihosoran-davenona.
Koa izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao aminareo: Hevero tsara ny manjo anareo.
Miakara any an-tendrombohitra, dia makà hazo ary atsangano indray ny tranoko. Ho sitrako sady hahazoako voninahitra izany, hoy AHO aminareo.
Hafaliana ny azy nony tonga tany ka nahita ny vokatry ny fahasoavan’Andriamanitra; ary nananatra azy rehetra i Barnabà mba tsy hiroa fo fa haharitra hiombona amin’ny Tompo.
Koa inona ankehitriny no andrasanao? Mitsangàna, antsoy ny anaran’i Jesoa ary aoka hatao batisa ianao ka ho voasasa amin’ny fahotanao.»
Kanefa any ianareo no hitady an’ilay TOMPO Andriamanitrareo ka hahita Azy, raha mitady Azy amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo.