Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Hagay 1:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Koa izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao aminareo: Hevero tsara ny manjo anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Koa ankehitriny dia izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Hevero ny lalanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Koa izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao aminareo: Hevero tsara ny manjo anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Koa ankehitriny, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Diniho tsara ny lalanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Koa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Hevero ny làlanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hevero ny lalanareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Hagay 1:5
15 Rohy Ifampitohizana  

Mitanjozora manodidina an’i Tsiôna ka isaonareo ny tilikambony,


Lasa nody ny Farao, dia nankao an-tranony fa tsy nahoany akory io raharaha io.


Ny sasany kosa tsy niraharaha ny tenin’ny TOMPO, ka namela ny mpiasany sy ny biby fiompy teny an-tsaha ihany.


Dinihontsika sy fantaro ny fitondrantenantsika, ka miverena amin’ny TOMPO isika.


Ho velona tokoa izy fa tsy ho faty satria nahatsapa ny asa ratsiny ka niala tamin’izany.


Ary hoy ralehilahy io tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, mijere tsara amin’ny masonao, mihainoa tsara amin’ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao satria ny hanehoako anao izao no nitondrako anao atỳ. Avy eo dia hotantarainao amin’ny Israelita izay rehetra hitanao.»


Ary hoy koa izy tamiko: ‹Aza matahotra, ry Daniela, fa hatramin’ny andro voalohany nanoloranao ny fonao hahafantatra izay niseho sy nanetrenao tena teo anatrehan’Andriamanitra, dia nohenoina ny tonombavakao ka tonga aho hitondra ny valiny.


Fa niteny indray ireo ka nanao teo anatrehan’ny mpanjaka hoe: –I Daniela, isan’ireo babo avy any Joda, dia tsy mba miraharaha anao na ny didy izay nosoniavinao, ry mpanjaka ô; fa intelo isan’andro izy no manao fivavahana amin’ny Andriamaniny.


–Moa ve fotoana tokony hipetrahanareo amina trano voaravaka zava-tsarobidy ankehitriny, kanefa rava ity tempoly ity?


Namafy be ianareo nefa kely no jinjainareo; mihinana ianareo nefa tsy voky ary misotro nefa tsy afa-po; mitafy ianareo nefa tsy mafana; ary ny karaman’ny mpiasa dia mora lany toy ny amin’ny kitapo loaka.»


Izany no ilazan’ny TOMPOn’izao rehetra izao aminareo hoe: Hevero tsara ny manjo anareo.


Izay vao nody ny sainy ka hoy izy anakampo: «Ireo mpikaraman’i dada rehetra any izao manan-tsakafo be dia be daholo, fa izaho kosa ity maty mosary atỳ!


Diniho ny tenanareo, ka izahao toetra raha velona amin’ny finoana tokoa ianareo na tsia. Fantatrareo tsara fa ao anatinareo i Jesoa Kristy, afa-tsy raha olona tsy voazaha toetra ianareo!


fa samia mandinika ny asany avy, ka ny amin’ny tenany ihany no hahazoany mirehareha fa tsy ny amin’ny olon-kafa,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra