Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 20:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Dia natahotra i Jôsafata ka nanapa-kevitra hanontany ny TOMPO sady niantso andro fifadian-kanina manerana an’i Joda manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Dia natahotra i Josafata ka nanatrika tsara hitady NY TOMPO sady niantso andro fifadian-kanina ho an’ny tanin’ny Joda rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Dia natahotra i Jôsafata ka nanapa-kevitra hanontany ny TOMPO sady niantso andro fifadian-kanina manerana an’i Joda manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Raiki-tahotra i Jôsafata ka dia ny hangata-bonjy amin’i Iaveh no nahatapahan’ny heviny, ary nanendry andro fifadian-kanina hataon’i Jodà rehetra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an’i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an’ny tanin’ny Joda rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an'i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an'ny tanin'ny Joda rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Dia natahotra i Josafata ka nanatrika tsara hitady NY TOMPO sady niantso andro fifadian-kanina ho an’ny tanin’ny Joda rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 20:3
20 Rohy Ifampitohizana  

Na iza na iza anisan’ny foko rehetra tamin’i Israely avaratra, ka nafana fo hitady ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, dia nanaraka ireo levita nankany Jerosalema mba hanolotra sorona amin’ny TOMPO Andriamanitry ny razany.


Kanefa misy hatsaram-panahy hita ihany aminao, satria nofoananao tsy ho eo amin’ny taninao ny tsatokazo fanajana an’i Aserà sady naronanao ny fonao hitady an’Andriamanitra.


kanefa raha amin’izay no avy hanetry tena ny vahoakako izay iantsoana ny anarako, ka hivavaka sy hitady Ahy ary hiala amin’ny toe-dratsy fanaony, dia hihaino avy any an-danitra Aho ka hamela ny fahotany ary hahasitrana ny taniny.


Ny andro faha-24 tamin’izany volana izany ihany, dia nivory hifady hanina ny Israelita ka samy nitondra akanjo malailay sy nanosim-bovoka ny lohany.


«Ndeha vorio àry ny Jiosy rehetra eto Sosany; dia manaova fifadian-kanina noho ny amiko ianareo, ka aza mihinana na misotro mandritra ny telo andro sy telo alina. Hifady hanina toy izany koa ny tenako sy ireo mpanompovaviko; avy eo dia hankao amin’ny amperôra aho, na dia tsy ara-dalàna aza izany. Koa raha tsy maintsy ho faty aho, dia ho faty!»


Tamin’ny volana fahasivy, taona fahadimy nanjakàn’i Jôiakima, zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, no nisehoan’izany, raha nantsoina hanao fifadian-kanina teo anatrehan’ny TOMPO ny mponina rehetra tao Jerosalema sy ny olona rehetra avy amin’ireo tanànan’i Joda.


Ary nitodika tamin’ny Tompo Andriamanitra aho mba hanao vavaka fitarainana sy fifonana ombàn’ny fifadian-kanina sy ny fitafiana lamba fisaonana ary ny fihosoran-davenona.


Manokàna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina; angony ny loholona sy ny mponina rehetra eto amin’ny tany ho ao an-tranon’ny TOMPO Andriamanitrareo, ka miantsoa vonjy amin’ny TOMPO.


Izao no lazain’ny TOMPO amin’ny vahoakan’i Israely: «Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo.


Natahotra ny TOMPO noho izany ireo matilò ka nanolotra sorona sady nivoady taminy.


Ary aza matahotra ireo mamono mahafaty ny vatana, nefa tsy mahay mamono mahafaty ny fanahy; fa aleo matahotra an’Andriamanitra Izay mahay mahavery ny fanahy amam-batana any amin’ny lohasahan’afo.


Ary nandeha niakatra tany Betela ny Israelita rehetra sy ny tafiny manontolo ka nipetraka nitomany teo anatrehan’ny TOMPO; tamin’izay dia nifady hanina mandra-paharivan’ny andro izy sady nanao sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo anatrehan’ny TOMPO.


Dia tafangona tao Mitsepà ny Israelita. Nanovo rano izy ireo, dia nararany tamin’ny tany teo anatrehan’ny TOMPO izany. Nifady hanina koa izy tamin’izany andro izany sady niaiky heloka hoe: «Efa nanota tamin’ny TOMPO izahay.» Tao Mitsepà no nahatonga an’i Samoela ho filohan’ny vahoaka Israely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra