Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 20:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Ary nisy olona tonga nanambara tamin’i Jôsafata hoe: –Indreo misy tafika goavana avy any atsinanan’ny Ranomasina Maty sy avy any amin’ny faritr’i Edôma ho tonga hiady aminao; ary indreo izy ao Hatsetsôna-Tamara, izany hoe Haîna-Gedỳ.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ary nisy tonga ka nanambara tamin’i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any andafin’ny ranomasina, dia avy any Arama, ho avy hiady aminao; indreo, ao Hazezona-Tamara, na Eny-Gedỳ izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Ary nisy olona tonga nanambara tamin’i Jôsafata hoe: –Indreo misy tafika goavana avy any atsinanan’ny Ranomasina Maty sy avy any amin’ny faritr’i Edôma ho tonga hiady aminao; ary indreo izy ao Hatsetsôna-Tamara, izany hoe Haîna-Gedỳ.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Ka nisy tonga nilaza tamin’i Jôsafata hoe: «Misy vahoaka be tamy hiady aminao, avy any an-dafin’ny ranomasina izy ireo, avy any Siria, ary efa mby ao Asasôna-Tamara, izany hoe Engadi izy izao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary nisy tonga ka nanambara tamin’i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin’ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy ao Hazezon-tamara (En-jedy izany).

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary nisy tonga ka nanambara tamin'i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin'ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy ao Hazezon-tamara (Enjedy izany).

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ary nisy tonga ka nanambara tamin’i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any andafin’ny ranomasina, dia avy any Arama, ho avy hiady aminao; indreo, ao Hazezona-Tamara, na Eny-Gedỳ izy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 20:2
10 Rohy Ifampitohizana  

Izy rehetra ireo dia nifamotoana tao amin’ny lohasahan’ny Sidima, izay rakotry ny Ranomasina Maty ankehitriny.


Avy eo dia niverina ho any Haîna-Mispata na hoe Kadesy izy ireo, ka namely izay rehetra teny an-tsahan’ny Hamalekita mbamin’ireo Amôrita izay nonina tao Hatsetsôna-Tamara.


ny malalako amiko dia manimanitra tahaka ny voninkazo dia mamelana any an-tanimboalobok’i Haîna-Gedỳ.


Ary manomboka eo Haîna-Gedỳ ka hatrany Haîna-Heglaima, dia hisy mpanarato hanahy ny haratony eny amoron’io ranomasina io. Fa hahitana trondro marobe isan-karazany ao tahaka ny any amin’ny Ranomasina Mediteranea.


Ny sisin-tany atsimo dia hiainga eo Tamara ka hipaka hatrany amin’ny ranon’i Meribà any Kadesy, ary hanaraka ny ranon-driakan’i Ejipta ka hipaka eo amin’ny Ranomasina Mediteranea. Izay no sisin-tany atsimo.


Ary mifanolotra amin’ny faritanin’i Gada kosa dia ny sisin-tany atsimo, hanomboka ao Tamara any atsinanana, dia hankany amin’ny ranon’i Meribà any Kadesy ary hanaraka ny ranon-driakan’i Ejipta hatrany amin’ny Ranomasina Mediteranea.


ka hitsontsorika hatrany Jôrdàna ary hiafara any amin’ny Ranomasina Maty. «Izany no taninareo araka ny sisin-tany manodidina azy.»


i Nibsana, ilay tanàna mpamokatra sira, ary i Haîna-Gedỳ; izany hoe tanàna enina miampy ireo tanàna kely miankina aminy.


dia nijanona ny rano avy any ambony ka nisavovona toy ny antontan-javatra terỳ lavitra terỳ, dia terỳ amin’ny tanàna Adama izay takaikin’ny tanàna Tsaratàna; ary ny rano ambany izay nikoriana ho any amin’ny Ranomasina Maty kosa dia ritra tanteraka, hany ka afaka niampita tandrifin’i Jerikao ny vahoaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra