Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 6:11 - DIEM PROTESTANTA

11 ary napetrako tao ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana nataon’ny TOMPO tamin’ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ary napetrako tao ny vata misy ny Fanekena izay itoeran’ny faneken’NY TOMPO, ilay nataony tamin’ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 ary napetrako tao ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana nataon’ny TOMPO tamin’ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Efa napetrako tao ny fiara misy ny faneken’i Iaveh, dia ny fanekena nataon’i Iaveh tamin’ny zanak’i Israely.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary napetrako tao ny fiara izay itoeran’ny faneken’i Jehovah, ilay nataony tamin’ny Zanak’Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary napetrako tao ny fiara izay itoeran'ny faneken'i Jehovah, ilay nataony tamin'ny Zanak'isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Ary napetrako tao ny vata misy ny Fanekena* izay itoeran’ny faneken’NY TOMPO, ilay nataony tamin’ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 6:11
9 Rohy Ifampitohizana  

Nasiako toerana aza teo ho an’ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana nataon’ny TOMPO tamin’ny razantsika, fony Izy nitondra azy niala tany Ejipta.


Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ilay Vatamasina afa-tsy ny vatofisaka roa izay napetrak’i Mosesy tao fony tany Hôreba, rehefa nanaovan’ny TOMPO fanekempihavanana ny Israelita taorian’ny nialany tany Ejipta.


Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ilay Vatamasina afa-tsy ny vatofisaka roa izay napetrak’i Mosesy tao fony tany Hôreba, rehefa nanaovan’ny TOMPO fanekempihavanana ny Israelita taorian’ny nialany tany Ejipta.


Ary ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO dia nampidirin’ny mpisorona ho ao amin’ny toerany tao anatin’ny efitrano atao hoe Toeramasina Indrindra, teo ambanin’ny elatr’ireo kerobima;


Dia notanterahin’ny TOMPO araka izany tokoa ny fampanantenana nolazainy; fa nandimby an’i Davida raiko aho ary mipetraka amin’ny sezafiandrianan’i Israely araka ny voalazan’ny TOMPO, sady efa nanorina ity tempoly ity ho voninahitry ny TOMPO Andriamanitr’i Israely;


Dia nitsangana teo anoloan’ny alitaran’ny TOMPO sady nanatrika ny Israelita rehetra tafangona i Salômôna, ka nanandra-tanana hivavaka.


«Vorio hanketo anoloako ny mpivavaka marina, dia ireo nanao sorona fanekempihavanana tamiko.


Nalain’i Mosesy ny vatofisaka misy ny didy folo ka napetrany tao amin’ny Vatamasina; dia natsofoka ny baon’ny Vatamasina sady narakotra azy ny sarony.


tao no nisy ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra ary ny vata mirakitra ny Fanekempihavanana, vata voapetaka takela-bolamena manontolo; ary tanatin’io vata io dia nisy ny siny volamena nitahirizana ny mana, ny tehin’i Aharôna izay nitsiry, ary ny vatofisaka nanoratana ny Fanekempihavanana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra