Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 21:27 - DIEM PROTESTANTA

Dia nodidian’ny TOMPO ilay anjely mba hampiditra ny sabany tamin’ny tranony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary NY TOMPO niteny tamin’ilay Anjely, dia nampidiriny tamin’ny tranony ny sabany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nodidian’ny TOMPO ilay anjely mba hampiditra ny sabany tamin’ny tranony.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia niteny tamin’ilay Anjely i Iaveh, ka nampidirin’io tamin’ny tranony ny sabany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Jehovah nandidy Ilay Anjely, ka dia nampidiriny tamin’ny tranony ny sabany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jehovah nandidy Ilay Anjely, ka dia nampidiriny tamin'ny tranony ny sabany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary NY TOMPO niteny tamin’ilay Anjely, dia nampidiriny tamin’ny tranony ny sabany.

Jereo ny toko



1Tantara 21:27
12 Rohy Ifampitohizana  

Fa raha naninji-tanana hamely an’i Jerosalema ny anjelin’ny Tompo, dia nanenina ny amin’ny loza ny TOMPO, ka niteny tamin’Ilay anjely mpandringana hoe: –Aoka izay! Aketraho ny tananao ankehitriny! Tamin’izay ity anjelin’ny TOMPO dia teo amin’ny famoloan’i Araonà, ilay Jebosita.


telo taona hisian’ny mosary ve; sa telo volana haharesy anao eo anatrehan’ny mpiady aminao sy hahatraran’ny sabatry ny fahavalonao anao; sa telo andro hamelezan’ny TOMPO amin’ny sabatra, dia ny aretina pesta, ka ny anjelin’ny TOMPO no hanao fandringanana eran’ny tanin’i Israely? Koa hevero tsara izay valin-teny hoentiko any amin’Ilay naniraka ahy.


I Araonà dia nively vary tamin’izay. Ary niherika izy ka nahita an’ilay anjely; ny zanany efa-dahy izay niaraka taminy kosa dia lasa niery.


Teo no nanorenan’i Davida alitara ho an’ny TOMPO; ary nanolotra sorana dorana manontolo sy sorom-pihavanana izy sady niantso ny TOMPO, ka novaliany tamin’ny afo avy tany an-danitra, dia afo izay latsaka teo amin’ny alitara nisy ny sorona dorana manontolo.


Nony hitan’i Davida namaly vavaka azy ny TOMPO teo amin’ny famoloan’i Araonà izay Jebosita, dia nanjary nanolotra sorona teo izy isaky ny fotoanandro sahaza.


Misaora ny TOMPO, ianareo anjeliny izay hery voafantina mpanatanteraka ny teniny ka mankatò Azy raha vao mandre ny baikony.


Hoy ianareo hoe: ‹Indrisy ry sabatry ny TOMPO, tsy mba hiato mihitsy ve ianao? Midira ao anaty tranonao, mialà voly ka mijanòna.›


«Ary ianao, ry printsy filohan’i Israely sady olon-dratsy mpamadika, tonga ny andro hifaranan’ny fanaovanao heloka.


Ary dia hoy i Jesoa tamin’io mpianany io: –Avereno amin’ny toerany ny sabatrao, fa izay rehetra mamely amin’ny sabatra dia ho fatin’ny sabatra.


Fa hoy i Jesoa tamin’i Petera: –Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao. Tsy hiaretako ve ny anjara fijaliana nomen’ny Ray Ahy?


Fa inona moa ny anjely? Fanahy manompo an’Andriamanitra izy rehetra, ka irahiny mba hanasoa ireo olona natao handray famonjena.