izy ihany koa no reny niteraka an’i Sahafy mpanorina an’i Madmenà sy niteraka an’i Sevà mpanorina an’i Makbenà sy i Gibehà; ary ny zanakavavin’i Kaleba dia i Haksà.
1Tantara 2:50 - DIEM PROTESTANTA Ireto koa mbola taranak’i Kaleba: ireo zanakalahin’i Hora, lahimatoan’i Efrata, dia i Sôbala mpanorina an’i Kiriata-Jeharîma, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no zanakalahin’i Kaleba, zanak’i Hora, lahimatoan’i Efrata: I Sobala, rain’ny any Kiriata-Jearima; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireto koa mbola taranak’i Kaleba: ireo zanakalahin’i Hora, lahimatoan’i Efrata, dia i Sôbala mpanorina an’i Kiriata-Jeharîma, Baiboly Katolika Izao no zanaka lahin’i Kaleba. Zanaka lahin’i Hora, lahy matoan’i Efratà: i Sobala, rain’i Kariatiarima, Baiboly Protestanta Malagasy Izao no zanakalahin’i Kaleba, zanak’i Hora, lahimatoan’i Efrata: Sobala, razamben’ny any Kiriata-jearima, Malagasy Bible Izao no zanakalahin'i Kaleba, zanak'i Hora, lahimatoan'i Efrata: Sobala, razamben'ny any Kiriata-Jearima, La Bible en Malgache Izao no zanakalahin’i Kaleba, zanak’i Hora, lahimatoan’i Efrata: I Sobala, rain’ny any Kiriata-Jearima; |
izy ihany koa no reny niteraka an’i Sahafy mpanorina an’i Madmenà sy niteraka an’i Sevà mpanorina an’i Makbenà sy i Gibehà; ary ny zanakavavin’i Kaleba dia i Haksà.
ary ireo tarika tao Kiriata-Jeharîma, dia ny Jitrita sy ny Potita mbamin’ny Somatita sy ny Misrahita; avy tamin’ireo tarika ireo no nipoiran’ny Tsôrehatita sy ny Estaolita.
Ny zanakalahin’i Joda dia i Peretsa sy i Hetsirôna mbamin’i Karmỳ sy i Hora ary i Sôbala.
Tao koa i Kiriata-Bahala izay nantsoina hoe Kiriata-Jeharîma, ary i Rabà; izany hoe tanàna roa miampy ireo tanàna kely miankina aminy.
avy eo mihodina ho any amin’ny loharano Neftôa, mihazo ireo tanàna any an-tendrombohitr’i Hefrôna, vao mihodina ho any Bahala izay antsoina koa hoe Kiriata-Jeharima;
Dia niainga ny Israelita; ka nony afaka telo andro, dia tonga tany an-tanànan-dry zareo, izany hoe tao Gibehona sy Kefirà ary Beerôta sy Kiriata-Jeharima.
Dia hoy ireo vahoaka rehetra izay teo am-bavahady sy loholona hoe: –Eny, vavolombelona manatri-maso izahay. Hotahin’ny TOMPO anie ity vehivavy izay hankao an-tranonao, ka ho tahaka an-dRahely sy i Lea fa izy roa vavy no niavian’ny vahoaka Israely; hataony manan-karena eo amin’ny Efratîta anie ianao, ary halaza eran’i Betlehema anie ny anaranao!
Tonga naka ny Vatamasin’ny TOMPO ny mponin’i Kiriata-Jeharîma ka nitondra azy ho ao an-tranon’i Abinadàba teo amin’ny havoana iray. Dia natokan’izy ireo ho mpiambina ny Vatamasin’ny TOMPO i Elihezera zanakalahin’i Abinadàba.