Efa niposaka ny masoandro raha niala teo Peniela i Jakôba, ary nandringa izy noho ny feny.
1Tantara 13:11 - DIEM PROTESTANTA Taitra i Davida satria tena namely mafy an’i Hozà ny TOMPO, koa io toerana io dia nantsoiny hoe «Peretsa-Hozà», ary mbola izany no fiantso azy mandraka androany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nalahelo i Davida noho ny namelezan’NY TOMPO an’i Oza ka nataony hoe Pereza-Oza no anaran’izany toerana izany mandraka androany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Taitra i Davida satria tena namely mafy an’i Hozà ny TOMPO, koa io toerana io dia nantsoiny hoe «Peretsa-Hozà», ary mbola izany no fiantso azy mandraka androany. Baiboly Katolika Nahatezitra an’i Davida ny nikapohin’i Iaveh an’i Ozà toy izany, ary io toerana io dia nantsoina mandrak’androany hoe Ferets-Ozà. Baiboly Protestanta Malagasy Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan’i Jehovah an’i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza no anaran’izany tany izany mandraka andro-any. Malagasy Bible Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan'i Jehovah an'i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza no anaran'izany tany izany mandraka androany. La Bible en Malgache Nalahelo i Davida noho ny namelezan’NY TOMPO an’i Oza ka nataony hoe Pereza-Oza no anaran’izany toerana izany mandraka androany. |
Efa niposaka ny masoandro raha niala teo Peniela i Jakôba, ary nandringa izy noho ny feny.
Nirehi-pahatezerana tamin’i Hozà ny TOMPO Andriamanitra ka namono nahafaty azy noho ny fihetsika tsy voahevitra nataony; dia teo akaikin’ny vatamasin’Andriamanitra teo izy no maty.
Natahotra ny TOMPO i Davida tamin’izany andro izany ka nanao hoe: –Nahoana no hiditra atỳ amiko ny Vatamasin’ny TOMPO?
Fa nirehi-pahatezerana tamin’i Hozà ny TOMPO ka namono nahafaty azy noho ny naninjirany tanana tamin’ny Vatamasina; dia teo anatrehan’Andriamanitra teo izy no maty.
Natahotra an’Andriamanitra i Davida tamin’izany andro izany ka nanao hoe: –Fomba ahoana no hitondrako ho atỳ amiko ny Vatamasin’Andriamanitra?
Fa tamin’ny nampiakarana azy voalohany, dia tsy teo ianareo; noho izany, dia nasian’ny TOMPO Andriamanitsika mafy izahay satria tsy nanontany Azy araka ny fitsipika.
Na dia ny mpisorona izay mahazo manatona AHY aza dia tsy maintsy hanoman-tena fandrao mahafaty azy AHO.
Fa hoy Andriamanitra taminy: –Rariny ve raha mirehi-pahatezerana ny amin’io zavamaniry io ianao? Ary novalian’i Jônà hoe: –Eny, rariny raha mirehi-pahatezerana aho ka satriko aza ny ho faty.
Ary nalevin’Andriamanitra teo an-dohasaha, tao amin’ny tany Môaba, tandrifin’i Bety-Pehôra izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.
Ary i Josoa dia nampanangana vato 12 ihany koa teo afovoan’i Jôrdàna, teo amin’ny toerana izay nijoroan’ny mpisorona nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana; ary mbola ao ihany ireo vato ireo mandraka androany.