Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 13:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Natahotra an’Andriamanitra i Davida tamin’izany andro izany ka nanao hoe: –Fomba ahoana no hitondrako ho atỳ amiko ny Vatamasin’Andriamanitra?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary natahotra an’Andriamanitra i Davida tamin’izany andro izany ka nilaza hoe: Amin’ny fomba ahoana no hitondrako ny vata misy ny faneken’Andriamanitra ho atỳ amiko?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Natahotra an’Andriamanitra i Davida tamin’izany andro izany ka nanao hoe: –Fomba ahoana no hitondrako ho atỳ amiko ny Vatamasin’Andriamanitra?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Natahotra an’Andriamanitra i Davida tamin’izay andro izay, ka nanao hoe: «Hataoko ahoana no fampiditra ny fiaran’Andriamanitra ho ao amiko?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary Davida natahotra an’Andriamanitra tamin’izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana aho no hitondra ny fiaran’Andriamanitra ho atỳ amiko?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary Davida natahotra an'Andriamanitra tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana aho no hitondra ny fiaran'Andriamanitra ho atỳ amiko?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ary natahotra an’Andriamanitra i Davida tamin’izany andro izany ka nilaza hoe: Amin’ny fomba ahoana no hitondrako ny vata misy ny faneken’Andriamanitra ho atỳ amiko?

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 13:12
12 Rohy Ifampitohizana  

«Nefa hety honina marina etỳ an-tany ve Ianao, Andriamanitra ô? Indro ny lanitra, na dia midadasika tokoa aza, tsy omby Anao; koa mainka fa ity tempoly izay nataoko ity.


Taitra i Davida satria tena namely mafy an’i Hozà ny TOMPO, koa io toerana io dia nantsoiny hoe «Peretsa-Hozà», ary mbola izany no fiantso azy mandraka androany.


Koa tsy nafindran’i Davida ho any aminy, any an-tanànan’i Davida, ny Vatamasina; fa naviliny kosa izany ho ao an-tranon’i Hôbeda-Edôma, lehilahy avy any Gata.


nefa tsy afaka nankany i Davida mba hanontany an’Andriamanitra, satria natahorany loatra ny sabatr’ilay anjelin’ny TOMPO.


Mihorohoro ny nofoko noho ny aminao, fa atahorako tokoa ny fitsipikao.


Dia hoy aho hoe: «Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin’ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko!»


Dia nanatona kosa ilay nandray denàry 6 000 ary nilaza hoe: «Fantatro, tompoko, fa lehilahy mila voatsiary ianao, ka mijinja amin’izay tsy namafazanao ary manangona amin’izay tsy nanelezanao.


Ary hoy ny mponin’i Betỳ-Semesy: –Iza no hahajanona eo anatrehan’io TOMPO Andriamanitra Masina io? Ary aiza no hampiakarantsika ny Vatamasiny hanalavitra antsika?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra