Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 19:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Na dia ny mpisorona izay mahazo manatona AHY aza dia tsy maintsy hanoman-tena fandrao mahafaty azy AHO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Ary aoka koa ny mpisorona izay manakaiky NY TOMPO hanamasina ny tenany, fandrao hamely azy tampoka NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Na dia ny mpisorona izay mahazo manatona AHY aza dia tsy maintsy hanoman-tena fandrao mahafaty azy AHO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Na ny mpisorona manatona an’i Iaveh aza, aoka hanamasin-tena fandrao vonoin’i Iaveh».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary aoka ny mpisorona koa, izay manakaiky an’i Jehovah, hanamasina ny tenany, fandrao himaona hamely azy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary aoka ny mpisorona koa, izay manakaiky an'i Jehovah, hanamasina ny tenany, fandrao himaona hamely azy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Ary aoka koa ny mpisorona izay manakaiky NY TOMPO hanamasina ny tenany, fandrao hamely azy tampoka NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 19:22
17 Rohy Ifampitohizana  

Fa tamin’ny nampiakarana azy voalohany, dia tsy teo ianareo; noho izany, dia nasian’ny TOMPO Andriamanitsika mafy izahay satria tsy nanontany Azy araka ny fitsipika.


Nony andro faha-14 tamin’ny volana faharoa dia novonoina ny biby fanao sorona amin’ny Paska. Azon-kenatra ny mpisorona sy ny levita, ka nidio tena mba ho afa-kampiditra ny sorona dorana manontolo ho ao an-tranon’ny TOMPO.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Ndeha midina ianao, ka ento miakatra miaraka aminao i Aharôna. Nefa aoka ireo mpisorona sy ny vahoaka tsy hirohotra hiakatra atỳ amiko, fandrao hamely azy ho faty Aho.


Koa ankehitriny, raha mihaino tsara izay lazaiko ianareo ka manaja ny fanekempihavanako, dia hanjary vahoaka sarobidy manokana ho Ahy eo amin’ny firenena rehetra. Fa Ahy manko ny tany manontolo,


Naniraka tovolahy israelita izy mba hanolotra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO sady hitondra ombilahy hatao sorom-pihavanana.


Mialà ianareo mpitondra ny fanaky ny TOMPO, mialà, mivoaha avy ao Babilôna. Aza mikasika izay maloto, fa aoka hadio ianareo no mivoaka tao!


Voatokana hanompo Ahy izy, ka tsy hanala baràka ny anarako, satria izy no mpanolotra ny sorona levonina amin’ny afo, dia ny sakafo aroso ho Ahy TOMPO Andriamaniny; noho izany, tokony hitandro ny maha olona voatokana azy ny mpisorona.


Ny amin’ny vahoaka kosa dia izao no holazainao azy: «Diovy ny tenanareo ho amin’ny rahampitso, fa hahazo hena hohanina ianareo, satria ny TOMPO efa nandre ny fitarainanareo hoe: ‹Iza no hanome hena hohaninay? Fa sambatra izahay tany Ejipta›. Homen’ny TOMPO hena ianareo, ka hihinana tokoa ianareo.


Niaraka tamin’izay i Safira dia nidaboka ho azy teo anoloan’ny tongotr’i Petera ka niala aina. Vao tafiditra ny tovolahy, dia hitany fa maty ravehivavy, ka nentiny nalevina teo anilan’i Hananià vadiny.


Nony nandre izany teny izany i Hananià, dia nidaboka ho azy ka niala aina. Ary raiki-tahotra mafy izay rehetra nandre izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra