Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jona 4:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Fa hoy ny TOMPO: –Rariny ve raha nirehi-pahatezerana ianao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Fa hoy NY TOMPO: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao izao?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Fa hoy ny TOMPO: –Rariny ve raha nirehi-pahatezerana ianao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Fa hoy ny navalin’i Iaveh: «Mety va ny hatezeranao?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Fa hoy Jehovah: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao izao?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Fa hoy Jehovah: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao izao?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Fa hoy NY TOMPO: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao izao?

Jereo ny toko dika mitovy




Jona 4:4
13 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy ny TOMPO tamin’i Kaina: –Nahoana no tezitra sady manjombona tarehy ianao? Raha manao ny tsara ianao, moa tsy hahatraka?


Ary nalahelo sady tezitra i Ahaba no niverina tao an-tranony, satria nilazan’i Nabôta avy ao Jizrehela hoe: «Tsy homeko anao ny lova avy amin’ny razako.» Dia nandry teo am-parafarany izy ka nitodika tany amin’ny rindrina ary tsy nety nihinan-kanina.


Aoka tsy hampisendaotra anao ny famaizana, ary tsy hampivily anao ny fanaovan-kolikoly.


Tsy nahafaly an’i Jônà mihitsy izany ka dia nirehitra ny fahatezerany.


Ankehitriny, TOMPO ô, avelao aho ho faty, fa aleoko maty toy izay velona.


Dia nivoaka ny tanàna i Jônà ka nijanona teo atsinanan-tanàna. Dia nanamboatra trano bongo ho azy teo izy ka nipetraka teo ambanin’ny alokalony niandry izay hitranga ao an-tanàna.


Fa hoy Andriamanitra taminy: –Rariny ve raha mirehi-pahatezerana ny amin’io zavamaniry io ianao? Ary novalian’i Jônà hoe: –Eny, rariny raha mirehi-pahatezerana aho ka satriko aza ny ho faty.


«Ry vahoakako, inona moa no nataoko anareo? ary inona no nanasarako anareo? Valio Aho!


–Efa hampodina any amin’ny razany i Aharôna, fa tsy hiditra any amin’ny tany izay nomeko ny Israelita satria tsy nankatò ny teniko teo amin’ny ranon’i Meribà ianareo.


Tsy azoko anaovana izay tiako ve ny fananako? Sa mialona ianao satria mazava fo aho?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra