Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jona 4:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Dia nivoaka ny tanàna i Jônà ka nijanona teo atsinanan-tanàna. Dia nanamboatra trano bongo ho azy teo izy ka nipetraka teo ambanin’ny alokalony niandry izay hitranga ao an-tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Dia nivoaka niala ny tanàna i Jona ka nipetraka teo atsinanan’ny tanàna; ary nanao trano rantsan-kazo ho azy teo izy ka nipetraka teo ambanin’ny alokalony ambara-pahitany izay hiafaran’ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Dia nivoaka ny tanàna i Jônà ka nijanona teo atsinanan-tanàna. Dia nanamboatra trano bongo ho azy teo izy ka nipetraka teo ambanin’ny alokalony niandry izay hitranga ao an-tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Dia nivoaka ny tanàna i Jônasy, ka nipetraka teo atsinanan-tanàna, nanao trano rantsan-kazo ho azy, sy nipetraka nialokaloka teo ambonin’io mandra-pahitany izay hanjò ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Dia nivoaka ny tanàna Jona ka nipetraka teo atsinanan-tanàna; ary nanao trano rantsan-kazo ho azy teo izy ka nipetraka teo ambanin’ny alokalony ambara-pahitany izay hiafaran’ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Dia nivoaka ny tanàna Jona ka nipetraka teo atsinanan-tanàna; ary nanao trano rantsan-kazo ho azy teo izy ka nipetraka teo ambanin'ny alokalony ambara-pahitany izay hiafaran'ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy




Jona 4:5
10 Rohy Ifampitohizana  

Fa raha vao nahare izany i Elià, dia nisaron-tava tamin’ny akanjobeny ka lasa nivoaka ary nitsangana teo am-bava zohy. Dia nisy feo niteny taminy indray nanao hoe: –Inona no ataonao eto, ry Elià?


Rehefa tonga tao Hôreba i Elià, dia niditra tao amin’ny zohy iray ka natory tao. Ary nisy tenin’ny TOMPO taminy nanao hoe: –Inona no ataonao eto, ry Elià?


Ny fahadisoan’ny vahoakako no nahatezitra Ahy vetivety. Noho Izaho tezitra no nikapohako azy sady tsy netezako hijery azy. Nefa nikomy hatrany izy ka nanaraka ny ditran’ny fony,


Ary raha hoy aho anakampoko hoe: «Tsy hisaintsaina izany intsony aho na hiteny amin’ny anaran’ny Tompo intsony», dia misy toy ny afo mandoro ato am-poko, toy ny afo mihanaka ato anatin’ny tenako. Reraka mamono azy aho fa tsy vitako.


Natahotra mafy ny matilò ka samy niantso vonjy tamin’ny andriamaniny avy. Dia natsipy tany an-dranomasina ny entana mba hanamaivana ny sambo. Tamin’izay kosa i Jônà efa nidina nandry tao anaty sambo iray ka resin-tory.


Fa hoy ny TOMPO: –Rariny ve raha nirehi-pahatezerana ianao?


Tampotampoka teo dia nampaniry tanantanamanga avo mihoatra ny tsanganan’i Jônà ny TOMPO Andriamanitra mba hialokalofany sy hanafaka ny hasosorany; ary nahafaly an’i Jônà tokoa io zavamaniry io.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra