Jona 4:6 - DIEM PROTESTANTA6 Tampotampoka teo dia nampaniry tanantanamanga avo mihoatra ny tsanganan’i Jônà ny TOMPO Andriamanitra mba hialokalofany sy hanafaka ny hasosorany; ary nahafaly an’i Jônà tokoa io zavamaniry io. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20116 Ary NY TOMPO Andriamanitra nanomana tanantanamanga ka nampaniriny izany, hialokalofan’i Jona, ho alokaloky ny lohany sy hanafaka azy amin’ny manjo azy. Dia nahafaly an’i Jona indrindra ny tanantanamanga. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara6 Tampotampoka teo dia nampaniry tanantanamanga avo mihoatra ny tsanganan’i Jônà ny TOMPO Andriamanitra mba hialokalofany sy hanafaka ny hasosorany; ary nahafaly an’i Jônà tokoa io zavamaniry io. Jereo ny tokoBaiboly Katolika6 Ary i Iaveh Andriamanitra, nampaniry tanantanamanga, izay nisondrotra teo ambonin’i Jônasy, mba hialokalofan’ny lohany mba hanafahana azy amin’ny alahelony; ka nahatsiaro faly erỳ i Jônasy tamin’ny tanantanamanga. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy6 Ary Jehovah Andriamanitra nanomana tanantanamanga, ka nampaniriny hanalokaloka an’i Jona izany ho alokaloky ny lohany, hanafaka ny alahelony. Ka dia nahafaly an’i Jona indrindra ny tanantanamanga. Jereo ny tokoMalagasy Bible6 Ary Jehovah Andriamanitra nanomana tanantanamanga, ka nampaniriny hanalokaloka an'i Jona izany ho alokaloky ny lohany, hanafaka ny alahelony. Ka dia nahafaly an'i Jona indrindra ny tanantanamanga. Jereo ny toko |
Ary faly i Hezekià tamin’ny fahatongavan’ireto iraka; dia nasehony azy ny trano fitahirizana zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena ary zava-manitra sy menaka mamerovero; nasehony azy koa ny trano fitobian’ny fitaovam-piadiana rehetra mbamin’ny zavatra hafa isan-karazany tao amin’ny fitoeran-drakiny. Tsy nisy zavatra nafeniny azy na ny tao an-dapany na ny tao amin’ny fanjakany manontolo.