1Tantara 15:13 - DIEM PROTESTANTA13 Fa tamin’ny nampiakarana azy voalohany, dia tsy teo ianareo; noho izany, dia nasian’ny TOMPO Andriamanitsika mafy izahay satria tsy nanontany Azy araka ny fitsipika. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201113 Satria tsy ianareo no nampiakatra azy tamin’ny voalohany, dia nasian’NY TOMPO Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny fomba tokony harahina. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara13 Fa tamin’ny nampiakarana azy voalohany, dia tsy teo ianareo; noho izany, dia nasian’ny TOMPO Andriamanitsika mafy izahay satria tsy nanontany Azy araka ny fitsipika. Jereo ny tokoBaiboly Katolika13 Fa satria noho ianareo tsy nampiakatra azy tamin’ilay voalohany, no nikapohan’i Iaveh Andriamanitsika antsika, satria tsy nitady azy araka ny lalàna isika.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy13 Satria tsy hianareo no tamin’ilay teo, dia nasian’i Jehovah Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny voadidy. Jereo ny tokoMalagasy Bible13 Satria tsy ianareo no tamin'ilay teo, dia nasian'i Jehovah Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny voadidy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache13 Satria tsy ianareo no nampiakatra azy tamin’ny voalohany, dia nasian’NY TOMPO Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny fomba tokony harahina. Jereo ny toko |
Rehefa hifindra toby ny Israelita dia ho vitan’i Aharôna sy ny zanany ny famonosana ny Toeramasina sy ny fanaka rehetra momba ny Toeramasina, dia ho avy amin’izay ny taranak’i Kehàta hitondra azy. Tsy hikasika ny fitaovana masina mivantana izy sao maty. Izany no anjara entan’ny taranak’i Kehàta ny amin’ny Tranolay fihaonana.