Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 15:12 - DIEM PROTESTANTA

12 ka nilazany hoe: –Ianareo loham-pianakaviana levita, manaova ny fomba fidiovana ianareo sy ny namanareo, dia ampakaro ilay Vatamasin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, ho eo amin’ny toerana izay efa namboariko ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 ka niteny tamin’ireo hoe: Ianareo lohan’ny fianakavian’ny levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba hampiakaranareo ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ho ao amin’ilay toerana namboariko ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 ka nilazany hoe: –Ianareo loham-pianakaviana levita, manaova ny fomba fidiovana ianareo sy ny namanareo, dia ampakaro ilay Vatamasin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, ho eo amin’ny toerana izay efa namboariko ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Ka hoy izy tamin’ireo: «Ianareo, loha fianakavian’ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, ka ampiakaro ny fiaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ho eo amin’ny fitoerana nomaniko ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 ka nanao taminy hoe: Hianareo lohan’ny fianakavian’ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia hianareo sy ny rahalahinareo, mba hampakaranareo ny fiaran’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho ao amin’ilay namboariko ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 ka nanao taminy hoe: Hianareo lohan'ny fianakavian'ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba hampakaranareo ny fiaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho ao amin'ilay namboariko ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 ka niteny tamin’ireo hoe: Ianareo lohan’ny fianakavian’ny levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba hampiakaranareo ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ho ao amin’ilay toerana namboariko ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 15:12
20 Rohy Ifampitohizana  

I Davida dia nanao trano ho an’ny tenany tao «an-tanànan’i Davida», sady nanomana toerana sy nanorina tranolay teo ho an’ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’Andriamanitra.


Dia nanao ny fomba fidiovana ny mpisorona sy ny levita mba hampakatra ny Vatamasin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.


Dia novorin’i Davida tao Jerosalema i Israely lafy valo mba hampakatra ny Vatamasin’ny TOMPO ho eo amin’ny toerana izay efa namboarina ho azy.


Dia nentina ny Vatamasina ka napetraka tao afovoan’ny tranolay izay efa namboarin’i Davida ho azy. Avy eo dia nisy sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana natolotra teo anatrehan’Andriamanitra.


Toraka ireo rahalahiny, taranak’i Aharôna, ny levita koa dia mba notsinjaraina fanompoana tamin’ny antsapaka teo anatrehan’i Davida mpanjaka, teo anatrehan’i Tsadôka sy i Abimelèka, ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny loham-pianakavian’ny levita: samy natao antsapaka mifanarakaraka na ny fianakavian’ny zokiny na ny fianakavian’ny zandriny.


Ireo àry no loham-pianakaviana teo amin’ny levita, dia loham-pianakaviana ho an’ny taranany avy, ary nonina tao Jerosalema.


Novorîn’i Salômôna ny Israelita rehetra, dia ny mpifehy vondro-miaramila sy mpifehy andia-miaramila ary ny mpitsara sy ireo tompon’andraikitra rehetra teo amin’i Israely, izany hoe ireo filoham-pianakaviana.


Ny Vatamasin’Andriamanitra moa dia efa nampakarin’i Davida avy tany Kiriata-Jeharîma ho ao amin’ny toerana izay nomaniny hasiana azy; fa efa nanangana lay ho azy tao Jerosalema izy.


Nony andro faha-14 tamin’ny volana faharoa dia novonoina ny biby fanao sorona amin’ny Paska. Azon-kenatra ny mpisorona sy ny levita, ka nidio tena mba ho afa-kampiditra ny sorona dorana manontolo ho ao an-tranon’ny TOMPO.


Natao hamono ny biby ho an’ny sakafo Paska ianareo ka midiova tena ary mivonòna hiasa ho an’ny mpiray firenena aminareo mba hanatontosana ny fankalazàna araka ny teny izay nampitain’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Mosesy.


Dia nivoaka ny Toeramasina ny mpisorona (fa ny mpisorona rehetra teo moa dia samy efa nanokan-tena, satria tsy nisy fitandroana ny filaharan’ny antokony tamin’izay).


Tamin’izay fotoana izay dia novorîn’i Salômôna tao Jerosalema ny loholon’i Israely sy ny lehibem-poko rehetra ary ireo filoham-pianakaviana israelita mba hampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, avy ao Tsiôna Tanànan’i Davida hankao an-tempoly.


Ary nasaiko nidio tena ny levita ka ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanokanana ny andro sabata ho an’Andriamanitra. «Tsarovy aho noho izany koa, ry Andriamanitro ô; ary iantrao aho fa be indrafo ianao!»


Mialà ianareo mpitondra ny fanaky ny TOMPO, mialà, mivoaha avy ao Babilôna. Aza mikasika izay maloto, fa aoka hadio ianareo no mivoaka tao!


Izany faritra izany dia ho an’ny mpisorona voatokana avy amin’ny taranak’i Tsadôka izay nitandrina an-tsakany sy an-davany ny fanompoana Ahy Tompo, fa tsy mba nivily nanaraka ny lalan-dison’ny Israelita tahaka ny nataon’ny levita.


Atokàny ho Anao araka ny hafatra marim-pototra ireo: ny teninao no hafatra marim-pototra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra