Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jona 4:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Fa hoy Andriamanitra taminy: –Rariny ve raha mirehi-pahatezerana ny amin’io zavamaniry io ianao? Ary novalian’i Jônà hoe: –Eny, rariny raha mirehi-pahatezerana aho ka satriko aza ny ho faty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Fa hoy Andriamanitra tamin’i Jona: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao ny amin’ny tanantanamanga izao? Ary hoy izy: Mety ny hahatezerako na dia mandra-pahafatiko aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Fa hoy Andriamanitra taminy: –Rariny ve raha mirehi-pahatezerana ny amin’io zavamaniry io ianao? Ary novalian’i Jônà hoe: –Eny, rariny raha mirehi-pahatezerana aho ka satriko aza ny ho faty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Fa hoy i Iaveh tamin’i Jônasy: «Mety va izao hatezeranao noho ny amin’ny tanantanamanga izao?». Ka hoy ny navaliny: «Mety ny hatezerako mandra-pahafatiko».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Fa hoy Andriamanitra tamin’i Jona: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao ny amin’ny tanantanamanga izao? Ary hoy izy: Mety ny hahatezerako na dia mandra-pahafatiko aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Fa hoy Andriamanitra tamin'i Jona: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao ny amin'ny tanantanamanga izao ? Ary hoy izy: Mety ny hahatezerako na dia mandra-pahafatiko aza.

Jereo ny toko dika mitovy




Jona 4:9
13 Rohy Ifampitohizana  

Ary nalahelo sady tezitra i Ahaba no niverina tao an-tranony, satria nilazan’i Nabôta avy ao Jizrehela hoe: «Tsy homeko anao ny lova avy amin’ny razako.» Dia nandry teo am-parafarany izy ka nitodika tany amin’ny rindrina ary tsy nety nihinan-kanina.


Ary ianao kosa, ry Jôba, izay mampahory tena amin’ny fahatezeranao, noho ny aminao ve no hahalao ny tany sy hampifindra toerana ny vatolampy?


Aoka tsy hampisendaotra anao ny famaizana, ary tsy hampivily anao ny fanaovan-kolikoly.


Fa ho voakikin’ny fahasosorany ny adala; ary ho fatin’ny fahatezerany ny ketrina.


Tsy nahafaly an’i Jônà mihitsy izany ka dia nirehitra ny fahatezerany.


Dia hoy ihany ny TOMPO hoe: –Malahelo io zavamaniry io ianao kanefa tsy nisasatra taminy kely akory na nanao izay nampaniry azy. Fa indray alina fotsiny no naniriany, dia maty rehefa avy niaina indray alina izy.


Koa rehefa niposaka ny masoandro, dia nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana Andriamanitra. Namely ny lohan’i Jônà ny masoandro ka nila hanafotra azy. Dia naniry ny ho faty izy ka nivavaka hoe: «Aleoko maty toy izay velona.»


ary dia niteny tamin’izy telo lahy hoe: –Ory dia ory ny fanahiko, ka hila hahafaty Ahy. Mijanòna eto ianareo ary miaraha miari-tory amiko!


Satria ny alahelo araka an’Andriamanitra dia mahatonga hiala amin’ny toe-dratsy, mba hiroso amin’ny famonjena tsy anenenana; fa ny alahelon’izao tontolo izao kosa dia mahatonga fahafatesana.


Amin’izany andro izany dia hitady fahafatesana ny olona, fa tsy hahita; ary haniry ho faty izy, fa handositra lavitra azy ny fahafatesana.


Ary rehefa nanao lemozy toy izany isan’andro ilay ramatoa ka nahasosotra azy, dia tofoka loatra i Samsôna;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra