Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jona 4:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Koa rehefa niposaka ny masoandro, dia nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana Andriamanitra. Namely ny lohan’i Jônà ny masoandro ka nila hanafotra azy. Dia naniry ny ho faty izy ka nivavaka hoe: «Aleoko maty toy izay velona.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Nony niposaka ny masoandro dia nanomana rivotra mahamay avy any atsinanana Andriamanitra, ary namely ny lohan’i Jona ny masoandro, dia nangataka ny ho faty izy, sady niteny hoe: Aleoko maty toy izay ho velona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Koa rehefa niposaka ny masoandro, dia nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana Andriamanitra. Namely ny lohan’i Jônà ny masoandro ka nila hanafotra azy. Dia naniry ny ho faty izy ka nivavaka hoe: «Aleoko maty toy izay velona.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Nony niposaka indray ny masoandro, nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana i Iaveh sady nasiany masoandro ny lohan’i Jônasy, ka efa ana mihitsy izy. Nangataka ny ho faty izy ka nanao hoe: «Aleoko maty toy izay ho velona».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary nony niposaka ny masoandro, Andriamanitra dia nanomana rivotra mahamay avy any atsinanana, ary dia namely ny lohan’i Jona ny masoandro, dia ana izy ka nangataka ny ho faty, nanao hoe: Aleoko ho faty toy izay ho velona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary nony niposaka ny masoandro, Andriamanitra dia nanomana rivotra mahamay avy any atsinanana, ary dia namely ny lohan'i Jona ny masoandro, dia ana izy ka nangataka ny ho faty, nanao hoe: Aleoko ho faty toy izay ho velona.

Jereo ny toko dika mitovy




Jona 4:8
23 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia nisy salohim-bary fito manakofa sady main’ny rivotra avy any atsinanana nitrebona taorian’ireo;


Fa izy kosa nandeha lalana indray andro hankany an-taniefitra; ka rehefa tonga tany izy, dia nipetraka teo ambanin’ny hazo kely midoroboka iray. Ary nangataka ho faty izy ka nanao hoe: –TOMPO ô, aoka izay! Alao ny aiko ankehitriny fa tsy tsara noho ny razako aho.


Ary nalahelo sady tezitra i Ahaba no niverina tao an-tranony, satria nilazan’i Nabôta avy ao Jizrehela hoe: «Tsy homeko anao ny lova avy amin’ny razako.» Dia nandry teo am-parafarany izy ka nitodika tany amin’ny rindrina ary tsy nety nihinan-kanina.


Dia hoy i Jôba namaly azy: –Miteniteny foana tahaka ny vehivavy adala ianao. Raha ekentsika fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra tsara, nahoana no tsy ekentsika ny zavatra ratsy ho avy aminy? Tamin’izany fitsapana azy izany, dia tsy mba nanota tamin’ny molony i Jôba na dia kely aza.


Ka dia aleoko kendainao ho faty toy izay mitofezaka misarin-kàrana.


ka tsy hamely anao ny masoandro, raha antoandro; tsy hamely anao ny volana, raha alina.


Afaho amin’izay rehetra mpamadika ahy aho, aza avela ho fanakòran’ireo adala.


Aoka tsy ho mora tezitra ianao fa ny adala ihany no malaky tezitra.


Aoka re aho mba tsy hojerenareo araka ny mahazarazara hoditra ahy, satria nodanihin’ny hainandro aho! Tezitra tamiko ireo anadahiko ka nanery ahy hiambina ny tanimboalobony; nefa ny tanimboaloboko, dia ny an’ny tenako manokana, tsy mba nambenako akory!


Tsy ho noana sady tsy hangetaheta ireo ary tsy hampaninona azy akory na ny rivo-mahamay na ny masoandro, satria am-pitiavana no hitarihako azy ary any amin’ny loharano miboiboika no hitondrako azy hiala hetaheta.


Kanefa nongotana an-katezerana izy ka natsipy tamin’ny tany. Ny rivotra avy atsinanana no nahamaina ny voany ka nampihintsana azy. Nihamaina koa ny rantsany mafy ka natao levon’ny ao.


Fa na dia miroborobo aza i Efraîma eo anivon’ireo mpiray firenena aminy, dia hiakatra avy any an-taniefitra ny rivotra avy atsinanana; ka ny TOMPO no handefa izany. Dia ho ritra ny loharanony ary ho tànkina ny fantsakàny. Hobaboina ny tahiriny, dia ny fanaka sarobidy rehetra.


Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna: –Efa voalazan’ny TOMPO izany, fony Izy nanao hoe: «Izay hanakaiky Ahy dia tiako hanaja ny fahamasinako, ary hanome voninahitra Ahy eo anatrehan’ny vahoaka rehetra.» Dia nanao hiram-pisaonana i Aharôna.


Fa nampifofofofo rivo-mahery teny amin’ny ranomasina ny TOMPO; dia nanonja mafy ny ranomasina ka nila ho vakin’ny tafiotra ny sambo.


Ankehitriny, TOMPO ô, avelao aho ho faty, fa aleoko maty toy izay velona.


Fa hoy Andriamanitra taminy: –Rariny ve raha mirehi-pahatezerana ny amin’io zavamaniry io ianao? Ary novalian’i Jônà hoe: –Eny, rariny raha mirehi-pahatezerana aho ka satriko aza ny ho faty.


nanao hoe: «Ireo nilatsaka farany ireo dia ora iray monja no niasany, kanefa nampitovînao karama aminay nisasatra nandritra ny andro sady niaritra ny hafanana.»


Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; mazotoa àry, ka ialao ny toe-dratsinao.


Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana.


Dia notaterin’i Samoela tamin’i Helỳ avokoa tsy nisy nafenina azy ny zava-drehetra. Ka hoy i Helỳ hoe: –Izy no TOMPO, hataony anie izay heveriny fa tsara!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra