Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jona 4:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Ny ampitso vao mangiran-dratsy anefa dia nandefa fositra kosa Andriamanitra hikiky ilay zavamaniry ka maina tery io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Kanjo nony ampitso maraina dia nanomana fositra koa Andriamanitra ka namely ilay tanantanamanga iny, dia maina io.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ny ampitso vao mangiran-dratsy anefa dia nandefa fositra kosa Andriamanitra hikiky ilay zavamaniry ka maina tery io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Kanjo nony ampitso raha vao niposaka ny mazava atsinanana, dia nandefa fositra i Iaveh hamely ilay tanantanamanga, ka tonga maina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Kanjo nony ampitso maraina dia nanomana fositra koa Andriamanitra, ka namely ilay tanantanamanga iny, dia nalazo io.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Kanjo nony ampitso maraina dia nanomana fositra koa Andriamanitra, ka namely ilay tanantanamanga iny, dia nalazo io.

Jereo ny toko dika mitovy




Jona 4:7
7 Rohy Ifampitohizana  

sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon’ineny, ary mitanjaka koa no hiverenako avy an-kibon’ny tany. Ny TOMPO no nanome, ny TOMPO no naka. Isaorana anie ny anaran’ny TOMPO.


Lavenona no toy ny sakafo hohaniko, haroiko ranomaso ny zavatra sotroiko.


Maina ny voaloboka, malazo ny aviavimbazaha; toraka izany koa ny ampongabendanitra sy ny palmie ary ny paoma, dia ny hazo rehetra any an-tsaha. Nihalefy ny fifaliana teo anivon’ny olombelona.


Tampotampoka teo dia nampaniry tanantanamanga avo mihoatra ny tsanganan’i Jônà ny TOMPO Andriamanitra mba hialokalofany sy hanafaka ny hasosorany; ary nahafaly an’i Jônà tokoa io zavamaniry io.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra