Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 32:32 - DIEM PROTESTANTA

32 Efa niposaka ny masoandro raha niala teo Peniela i Jakôba, ary nandringa izy noho ny feny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Dia niposaka taminy ny masoandro raha niala teo Peniela izy, ary nandringa izy noho ny feny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Efa niposaka ny masoandro raha niala teo Peniela i Jakôba, ary nandringa izy noho ny feny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

32 Izany no tsy ihinanan’ny zanak’i Israely ny hozatra lehibe ao amin’ny famavànin’ny fe mandrak’androany, dia noho ny nanendren’Andriamanitra ny famavànin’ny fen’i Jakôba teo amin’ny hozatra lehibe.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Dia niposaka taminy ny masoandro, raha niala teo Peniela izy, ary nitolitsika izy noho ny feny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Dia niposaka taminy ny masoandro, raha niala teo Peniela izy, ary nitolitsika izy noho ny feny. Izany no tsy ihinanan'ny Zanak'Isiraely ny ozatry ny atodiakanga mandraka androany; satria nanendry ny foto-pen'i Jakoba teo amin'ny ozatry ny atodiakanga Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

32 Dia niposaka taminy ny masoandro raha niala teo Peniela izy, ary nandringa izy noho ny feny.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 32:32
6 Rohy Ifampitohizana  

I Jakôba irery no sisa nijanona ary nisy lehilahy nifampitolona taminy mandra-pahazava ratsy ny andro.


Ka hoy i Jakôba hoe: –Efa nahita an’Andriamanitra nifanatri-tava tamiko aho, nefa tsy maty fo aman’aina. Izany no niantsoany io toerana io hoe Peniela, na hoe Tavan’Andriamanitra.


Ary nitazana i Jakôba ka nahita an’i Hesao tamy miaraka amin’ny olona efajato lahy. Koa nozarainy tamin’i Leà sy i Rahely ary ny mpanompovavy roa ireo zaza.


Ary nampamboarin’i Jerôbohama ho tanànamimanda i Sekema any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraîma ka nonenany. Rehefa niala tao Sekema izy, dia nampamboatra an’i Penoela ho tanànamimanda koa.


Avy teo i Gidehôna nankany Peniela, ary nilaza fangatahana tahaka izany koa tamin’ny mponina tao. Kanefa ny mponina tao Peniela dia namaly tahaka izay nataon’ny olona tao Sokôta ihany.


–Izany no tsy anitsahan’ny mpisoron’i Dagôna sy izay rehetra miditra ao amin’ny tempoliny, ao Asdôda, ny tokonam-baravaran’i Dagôna mandraka androany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra