ka hoy Izy hoe: «Haringako tsy ho eo ambonin’ny tany ny olombelona noarîko, hatramin’ny olombelona ka hatramin’ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny voromanidina, fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.»
Zefania 1:18 - Baiboly Katolika Tsy hisy hahavonjy azy na ny volafotsiny na ny volamenany, amin’ny andron’ny fisafoahan’i Iaveh; holevonin’ny fahasaro-piarony avokoa ny tany; fa hataony rava tsy misy miangana, ataony fongotra tampoka, ny mponina rehetra amin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’NY TOMPO; fa ny afon’ny fahasaro-piarony no handevonany ny tany rehetra; fa fahafonganana tena mahatsiravina no hataony amin’ny mponina amin’ny tany. DIEM PROTESTANTA Amin’ny androm-pahatezeran’ny TOMPO, dia samy tsy hahavonjy ny olona na ny volafotsiny na ny volamenany. Fa hiredareda ny fahasaro-piaron’ny TOMPO ka handevona ny tany tontolo. Eny, hahatsiravina tokoa izany, satria haringan’ny TOMPO ny mponina rehetra amin’ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’ny androm-pahatezeran’ny TOMPO, dia samy tsy hahavonjy ny olona na ny volafotsiny na ny volamenany. Fa hiredareda ny fahasaro-piaron’ny TOMPO ka handevona ny tany tontolo. Eny, hahatsiravina tokoa izany, satria haringan’ny TOMPO ny mponina rehetra amin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah, Fa holevonin’ny afon’ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin’ny mponina amin’ny tany. Malagasy Bible Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah, Fa holevonin'ny afon'ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin'ny mponina amin'ny tany. La Bible en Malgache Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’NY TOMPO; fa ny afon’ny fahasaro-piarony no handevonany ny tany rehetra; fa fahafonganana tena mahatsiravina no hataony amin’ny mponina amin’ny tany. |
ka hoy Izy hoe: «Haringako tsy ho eo ambonin’ny tany ny olombelona noarîko, hatramin’ny olombelona ka hatramin’ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny voromanidina, fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.»
Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh i Jodà, ka nampahasaro-piaro Azy tamin’ny fahotana nataony, mihoatra noho izay nataon’ny razana.
Amin’ny andron’ny fahoriana, voatsimbina ny ratsy fanahy; amin’ny andron’ny fahatezerana, afaka alanàlana izy!
Nampahatezitra Azy, tamin’ny fitoerana avony; nampahasaro-piaro Azy, tamin’ny sampiny.
Mandra-pahoviana, ry Iaveh, no hisafoaka hanontolo fo Ianao, sy hirehetan’ny hatezeranao hoatra ny afo?
Ny harena tsy mahasoa amin’ny andron’ny fahatezerana; fa ny fahamarinana no manafaka amin’ny fahafatesana.
Ka noho izany - Teny ton’ny Tompo, Iavehn’ny tafika, ilay Maherin’i Israely: - Edrey! hiala fo amin’ny mpandrafy Ahy Aho, sy hamaly an’ireo fahavaloko.
Ny fahazavan’i Israely no ho afo; ary ny Masiny no ho lelafo, handroso sy handevona, indray andro monja, ny tsilo sy ny heriny.
Hanao ahoana re ianareo, amin’ny andro famangiana sy amin’ny loza amin’antambo ho tonga avy lavitra? Any amin’iza no handosiranareo, hamonjy anareo, ary aiza no hanaovanareo ny harenareo?
Koa izao no lazain’i Iaveh Tompo: «Indro haidina amin’ity tany ity, ny hatezerako amam-pahavinirako, dia amin’ny olona sy ny biby, amin’ny hazo eny an-tsaha sy ny vokatry ny tany; ary hirehitra izany, ka tsy ho faty.»
Hataoko mitsahatra eo an-tanànan’i Jodà, sy eny an-dalamben’i Jerosalema ny feo fifaliana sy ny feo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra sy ny ampakarina; fa hanjary efitra ny tany.
Iza no olon-kendry izay mba hahafantatra izao, izay efa nitenenan’ny vavan’i Iaveh, mba hampahalala izao? Nahoana no rava ny tany sy kila tahaka ny efitra, tsy misy olo-mandalo akory?
Hohelohiko araka ny lalàna mahazo ny vehivavy mpaka vadin’olona sy izay mpandatsa-dra ianao, ka hataoko latsa-dra, voan’ny fisafoahana amam-pahasarotam-piaro.
Hoentiko hamely anao ny fahasaro-piaroko, ka hasian’izy ireny amim-pisafoahana ianao; harasany ny oronao aman-tsofinao; ho lavon-tsabatra ny sisa aminao; hofaohiny ny zanakao lahy aman-janakao vavy; ho levon’ny afo ny sisa aminao.
mitsangana ny fanaovana an-keriny, mba ho tsora-kazo hamelezana ny fanoherana ny fivavahana. Tsy hisy aminy ho voavela, na amin’ny hamaroany, na amin’ny fihahohahoany, tsy ho maresaka intsony.
Hariana eny an-dalambe ny volafotsiny, hataony hoatra ny zezika ny volamenany; tsy misy hahavonjy azy ny volafotsiny amam-bolamenany, amin’ny andron’ny fahatezeran’i Iaveh; tsy hamoky ny fanahiny amin’izany, izy, na hameno ny kibony amin’izany akory, fa izany indrindra no nahalavo azy tamin’ny faharatsiana.
Midradradradrà, ry mponina ao amin’ny Feta, fa ringana avokoa ny vahoaka kananeanina, levona avokoa izay rehetra mivesatra vola.
Fa izany andro izany, dia androm-pahatezerana, androm-pahoriana aman-tebiteby, andro fahalahelovana amam-pandravana, androm-pahamaizinana sy fanjombonana, andro mandrahona sady manjavona mainty,
alohan’ny hiterahan’ny biby sy hihelenan’ny andro toy ny mololo; alohan’ny hiharan’ny firehitry ny fahatezeran’i Iaveh aminareo, alohan’ny hidonan’ny andron’ny fahaviniran’i Iaveh aminareo.
Koa andrasonareo Aho, - teny marin’i Iaveh, - amin’ny andro hitsanganako haka babo! Satria izao no didiko, dia ny hanangonako ny firenena, hamoriako ny fanjakana, hanidinako ny fahatezerako amin’izy ireo, dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra. Fa ny afon’ny fahasaro-piaroko no handevona ny tany rehetra.
Inona no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?
Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’izany, hafoiko izy, ary hafeniko aminy ny Tavako, ka dia hataon’ny olona levona izy, sady hianjeran-doza amam-pahoriana be dia be. Izay vao ho vaky hoe: Moa ve tsy noho Andriamanitro tsy eto amiko no nianjeran’izao fahoriana izao amiko?