Zakaria 9:14 - Baiboly Katolika Hiseho eo ambonin’izy ireo i Iaveh, hitsoriaka toy ny helatra, ny zana-tsipìkany. Hampaneno ny trômpetra ny Tompo Iaveh, ary handroso amin’ny tafio-drivotra any atsimo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary NY TOMPO hiseho eo amboniny ka handeha toy ny tselatra ny zana-tsipìkany; NY TOMPO Andriamanitra hitsoka anjomara ka handroso amin’ny tafio-drivotra any atsimo. DIEM PROTESTANTA Ary ny Tompo hiseho eo ambonin’ny vahoakany; ka hipoitra toy ny tselatra ny zana-tsipîkany Hitsoka anjomara ny Tompo ANDRIANANAHARY ka ho tonga miaraka amin’ny tafio-drivotra atsimo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny Tompo hiseho eo ambonin’ny vahoakany; ka hipoitra toy ny tselatra ny zana-tsipîkany Hitsoka anjomara ny Tompo ANDRIANANAHARY ka ho tonga miaraka amin’ny tafio-drivotra atsimo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jehovah hiseho ao aminy, Ka handeha toy ny helatra ny zana-tsipìkany; Jehovah Tompo hitsoka anjomara Ka handeha amin’ny tafio-drivotra any atsimo. Malagasy Bible Ary Jehovah hiseho ao aminy, Ka handeha toy ny helatra ny zana-tsipìkany, Jehovah Tompo hitsoka anjomara Ka handeha amin'ny tafio-drivotra any atsimo. La Bible en Malgache Ary NY TOMPO hiseho eo amboniny ka handeha toy ny tselatra ny zana-tsipìkany; NY TOMPO Andriamanitra hitsoka anjomara ka handroso amin’ny tafio-drivotra any atsimo. |
Nampikotrokotroka tany an-danitra i Iaveh, nampanakoako ny feony ny Avo indrindra; dia nisy havandra mbamin’ny vainafo mivaivay!
Nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely azy ireo; nataony maro ny varany, ka nampifanaritaka an’ireny Izy.
Ry mponina rehetra amin’izao tontolo izao, ry mponina ambonin’ny tany! mijere ianareo, rehefa voatsangana eny an-tendrombohitra ny faneva, mihainoa ianareo rehefa maneno ny trômpetra.
Faminaniana ny amin’ny efitry ny ranomasina. Tahaka ny firimorimon’ny tadio mihazo any amin’ny atsimo, avy any an’efitra izany, amin’ny tany mahatahotra.
Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany: haneno ny trômpetra lehibe, ka izay very tany amin’ny tanin’i Asora, mbamin’izay voasesitany, tany amin’ny tany Ejipta, dia hody ka hiankohoka eo anatrehan’i Iaveh, ao amin’ny tendrombohitra masina, ao Jerosalema.
I Iaveh hampiriadriatra ny feony miezinezina, ary hampiseho ny fiantèfan’ny sandriny, amin’ny firehitry ny hatezerany aman-delafo mandevona; amin’ny tafio-drivotra aman-dranonoram-baratra sy vato havandra.
Tahaka ny vorona mamelatra elatra hanomba ny zanany, no hiarovan’i Iavehn’ny tafika an’i Jerosalema; hiaro Izy sy hamonjy, ary handalo sy hanafaka.
Satria indro i Iaveh tamy ao amin’ny afo; ary ny kalesiny dia sahala amin’ny tadio, hamoaka ny fahatezerany amim-pitenenana, sy ny fandrahonany amin’ny afo midedadeda.
Tafajanona eo amin’ny fitoerany ny masoandro amam-bolana; ka ny fanjelajelatry ny zana-tsipìkanao no andehanan’ny olona, sy ny fahazavan’ny lefonao mamirapiratra.
Notrobaranao tamin’ny zana-tsipìkany ihany, ny lohan’ireo antokon’olony, izay nibosesika hamely ahy, tamim-panaovana hobin-kafaliana toy ny efa handevona ny ory ao amin’ny fierin’izy ireo.
Amin’izany andro izany, i Iaveh hanangana manda manodidina ny mponina ao Jerosalema, ary izay mangozohozo eo amin’izy ireo, dia ho tahaka an’i Davida amin’izany andro izany, ary ny taranak’i Davida ho tahaka an’Andriamanitra, dia ho tahaka ilay Anjelin’i Iaveh, eo anoloan’izy ireo.
Fa hivoaka i Iaveh hiady amin’ireo firenena ireo, toy ny fiadiny amin’ny andro fiadiana.
Nanopy ny masoko aho, ka nahita: ka indro nisy lehilahy nitondra kofehy famolaina teny an-tanany.
Haneno mafy ny trômpetra, dia haniraka ny Anjeliny izy, ary ireo hanangona ny olom-pinidiny avy amin’ny vazantany efatra, hatramin’ny fara vodilanitra rehetra.»
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
na tamin’ny herim-pamantarana amam-pahagagana, na tamin’ny Fanahy Masina; hany ka tongako hatraiza hatraiza ny fitoriana ny Evanjelin’i Kristy, dia hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany Iliria;
sady Andriamanitra koa efa nankatò Azy tamin’ny famantarana sy fahagagana, ary tamin’ny asa lehibe samihafa mbamin’ny fanomezana nozarazarain’ny Fanahy Masina araka ny sitrapony?
Fanafihana indray mandeha monja no nahazoan’i Jôsoe ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny rehetra, satria i Iaveh Andriamanitr’i Israely no niady ho an’i Israely.
Dia nijery aho, ka indro nisy soavaly fotsy; ary ilay nitaingina azy dia nanana tsipìka, sy nomena satroboninahitra, ary lasa toy ny mpandresy ndeha handresy.