Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 9:13 - Baiboly Katolika

13 Fa henjaniko ho Ahy i Jodà, ary ataoko amin’ny tsipìka i Efraima. Hamporisika ny zanakao Aho, ry Siôna, hiady amin’ny zanakao, ry Javàna, ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Fa nohenjaniko ny tsipìkako, dia i Joda, ary i Efraima no nataoko zana-tsipìka; ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin’ny zanakao, ry Gresy! Hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Hampiasaiko toy ny tsipîkan’ady i Joda, ka i Efraîma no ho tahaka ny zana-tsipîkany. Ry Tsiôna, hotairiko ny vatan-dehilahinao hiady amin’ireo vatan-dehilahy grika; toy ny sabatry ny mpiady mahery no hampiasako ireo vatan-dehilahinao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Hampiasaiko toy ny tsipîkan’ady i Joda, ka i Efraîma no ho tahaka ny zana-tsipîkany. Ry Tsiôna, hotairiko ny vatan-dehilahinao hiady amin’ireo vatan-dehilahy grika; toy ny sabatry ny mpiady mahery no hampiasako ireo vatan-dehilahinao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Fa nohenjaniko ho Ahy Joda, Efraima nataoko zana-tsipìka; Ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin’ny zanakao, ry Grisia, Ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery hianao,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Fa nohenjaniko ho Ahy Joda, Efraima nataoko zana-tsipìka; Ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin'ny zanakao, ry Grisia, Ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Fa nohenjaniko ny tsipìkako, dia i Joda, ary i Efraima no nataoko zana-tsipìka; ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona*, hiady amin’ny zanakao, ry Gresy! Hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 9:13
31 Rohy Ifampitohizana  

Nataon’i Davida. Hisaorana anie i Iaveh Vatolampiko, izay nampianatra ny tanako hiady, ary ny rantsan-tanako hiantafika.


Eo am-bavany ny fiderana an’Andriamanitra, ary eo an-tanany ny sabatra roa lela.


Tsara tarehy noho ny zanak’olombelona ianao; feno fahafinaretana ny molotrao, ka noho izany dia notahin’Andriamanitra mandrakizay ianao.


Nataony sabatra maranitra ny lelako; nalofany tamin’ny aloky ny tanany aho; nataony zana-tsipìka maranitra aho, nafeniny teo amin’ny tranon-jana-tsipìkany.


Ianao no ataoko fampohaza, ataoko fiadiana: ianao no anorotoroako firenena; ianao no andravako fanjakana;


Ireo zanaka lahin’i Siôna, miendrik’andriana indrindra, voatombana an-danjam-bolamena madio, ka ahoana no natao toy ny vilany tany, asan-tanan’ny mpanefy vilany?


Nanangana mpaminany, tamin’ireo zanaka lahinareo Aho, sy nazareanina tamin’ireo zatovonareo, sa tsy izany va, ry zanak’i Israely?» - teny marin’i Iaveh. -


Ka hisy Mpamonjy hiakatra ao an-tendrombohitra Siôna hitsara ny tendrombohitr’i Esao; ary ho an’i Iaveh ny Fanjakana.


Raiso koa ny fanantenam-pamonjena ho fiarovan-doha, ary ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny fanahy.


Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahana aho, nitahiry ny finoana aho;


Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.


Ny tanany havanana nitana kintana fito, ny vavany nivoahan-tsabatra marani-dany roa, ary ny tarehiny toy ny masoandro mamirapiratra amin’ny heriny indrindra.


Hiady amin’ny Zanak’ondry izy rehetra, nefa ho resin’ny Zanak’ondry, satria Izy no Tompon’ny tompo, sy Mpanjakan’ny mpanjaka, ary ny voaantso sy olom-boafidy sady mahatoky no momba Azy.


nisy sabatra marani-dany roa nivoaka avy ao am-bavany, mba hamelezany ny firenena, ary hifehy azy amin’ny tsora-by izy, sady ny tenany ihany no hanitsaka ny famiazana ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra tsitoha;


ary ny olona sisa dia matin’ny sabatra nivoaka avy ao am-bavan’ilay nitaingina ny soavaly, ka vokin’ny nofony ny vorona rehetra.


Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Pergama: Izao no lazain’Ilay manana ny sabatra marani-dany roa:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra