Dia tonga io Sasabasara io, ka nandatsaka ny fototry ny tranon’Andriamanitra ao Jerosalema, ka hatramin’izay andro izay ka mandrak’ankehitriny dia natao ihany izy, saingy mbola tsy efa.
Zakaria 4:9 - Baiboly Katolika Ny tanan’i Zôrôbabela no nametraka ny fanorenan’ity trano ity, ary ny tanany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy ho aminao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny tanan’i Zerobabela no nanao ny fanorenan’ity trano ity, ary ny tanany koa no hamita azy; dia ho fantatrao fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy ho aminao. DIEM PROTESTANTA «Ny tanan’i Zerobabela no nametraka ny fanorenan’ity tempoly ity, ary ny tanany koa no hamita azy.» Amin’izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no naniraka ahy ho atỳ aminareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Ny tanan’i Zerobabela no nametraka ny fanorenan’ity tempoly ity, ary ny tanany koa no hamita azy.» Amin’izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no naniraka ahy ho atỳ aminareo. Baiboly Protestanta Malagasy Ny tànan’i Zerobabela no nanao ny fanorenan’ity trano ity, ary ny tànany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon’ny maro, no naniraka ahy ho aminao. Malagasy Bible Ny tànan'i Zerobabela no nanao ny fanorenan'ity trano ity, ary ny tànany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminao. La Bible en Malgache Ny tanan’i Zerobabela no nanao ny fanorenan’ity trano ity, ary ny tanany koa no hamita azy; dia ho fantatrao fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy ho aminao. |
Dia tonga io Sasabasara io, ka nandatsaka ny fototry ny tranon’Andriamanitra ao Jerosalema, ka hatramin’izay andro izay ka mandrak’ankehitriny dia natao ihany izy, saingy mbola tsy efa.
Manatòna Ahy ianareo, ka henoy izao: Hatramin’ny voalohany, tsy niteny an-takontakona Aho; hatramin’ny ahatongavan’ireo zavatra ireo dia eo Aho; - Ary ankehitriny i Iaveh, Tompo, maniraka ahy omban’ny Fanahiny.»
Koa diniho hatramin’izao anio izao no mankany, ny hatramin’ny andro faha-24n’ny volana fahasivy, ka hatramin’ny andro nanorenana ny Tempolin’i Iaveh, diniho!
Koa izao no lazain’i Iaveh: Miverina eto Jerosalema amin’indrafo Aho, ka ny tranoko haorina eto indray, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ary ny famolaina hohenjanina amin’i Jerosalema.
Avia, ry Siôna, vonjeo ny tenanao, ianao izay monina ao amin’ny zanaka vavin’i Babilôna!
Fa indro Aho manetsika ny tanako eo ambonin’ireny, ka izy ireo ho tonga remby ho an’ireo manompo azy; ary ianareo, hahalala fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy.
Ho tonga hanao ny tempolin’i Iaveh ny avy lavitra, ka ho fantatrareo fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy ho atỳ aminareo. Ho tanteraka izany, raha manaiky tsara ny feon’i Iaveh ianareo.› »
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vatolampy), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray, ato amiko, ary Izaho ao aminao, ary mba ho iray ao amintsika koa izy, ka hinoan’ny olona fa Ianao no naniraka Ahy.
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao.
mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.