Zakaria 4:9 - DIEM PROTESTANTA9 «Ny tanan’i Zerobabela no nametraka ny fanorenan’ity tempoly ity, ary ny tanany koa no hamita azy.» Amin’izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no naniraka ahy ho atỳ aminareo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20119 Ny tanan’i Zerobabela no nanao ny fanorenan’ity trano ity, ary ny tanany koa no hamita azy; dia ho fantatrao fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy ho aminao. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara9 «Ny tanan’i Zerobabela no nametraka ny fanorenan’ity tempoly ity, ary ny tanany koa no hamita azy.» Amin’izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no naniraka ahy ho atỳ aminareo. Jereo ny tokoBaiboly Katolika9 Ny tanan’i Zôrôbabela no nametraka ny fanorenan’ity trano ity, ary ny tanany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy ho aminao. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy9 Ny tànan’i Zerobabela no nanao ny fanorenan’ity trano ity, ary ny tànany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon’ny maro, no naniraka ahy ho aminao. Jereo ny tokoMalagasy Bible9 Ny tànan'i Zerobabela no nanao ny fanorenan'ity trano ity, ary ny tànany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminao. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache9 Ny tanan’i Zerobabela no nanao ny fanorenan’ity trano ity, ary ny tanany koa no hamita azy; dia ho fantatrao fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no naniraka ahy ho aminao. Jereo ny toko |
Aoka isika hifantoka tsara amin’i Jesoa, Izay loharanon’ny finoantsika hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Niaretan’i Jesoa ny namonoana Azy teo amin’ny hazofijaliana fa tsy nitandroany henatra, satria tsinjony sahady ny hafaliana natao ho azony; ka izao Izy efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra.