Ary hoy i Jakôba tamin-dRebekà reniny: «I Esao rahalahiko, lehilahy voloina, fa izaho malambo hoditra.
Obadia 1:10 - Baiboly Katolika Noho ny famonoana, noho ny fahasiahanao amin’i Jakôba rahalahinao, dia ho safo-kenatra sy hofongorana mandrakizay ianao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Noho ny fampahoriana an’i Jakoba rahalahinao dia ho voasaron-kenatra ianao ka ho fongotra mandrakizay. DIEM PROTESTANTA «Noho ny taranak’i Jakôba rahalahinao efa nisetrasetranao sy novonoinao, dia ho safo-kenatra sy haringana mandrakizay ianao! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Noho ny taranak’i Jakôba rahalahinao efa nisetrasetranao sy novonoinao, dia ho safo-kenatra sy haringana mandrakizay ianao! Baiboly Protestanta Malagasy Noho ny fampahoriana an’i Jakoba rahalahinao dia ho voasaron-kenatra hianao Ka ho fongotra mandrakizay. Malagasy Bible Noho ny fampahoriana an'i Jakoba rahalahinao dia ho voasaron-kenatra ianao Ka ho fongotra mandrakizay. La Bible en Malgache Noho ny fampahoriana an’i Jakoba rahalahinao dia ho voasaron-kenatra ianao ka ho fongotra mandrakizay. |
Ary hoy i Jakôba tamin-dRebekà reniny: «I Esao rahalahiko, lehilahy voloina, fa izaho malambo hoditra.
Raikitra ao am-pon’i Esao ny fankahalana an’i Jakôba noho ny tso-drano nomen-drainy azy, ka hoy izy tao am-pony: «Ny andro hisaonako an’i Dada dia efa antomotra; amin’izay dia hovonoiko i Jakôba rahalahiko.»
Hofonosiko henatra ny fahavalony, ary hamirapiratra eo an-kandriny kosa ny satroboninahiny.
Tsarovy, ry Iaveh, ireo taranak’i Edôma, fony tamin’ny andron’i Jerosalema, dia hoy ireny: «Ravao! ravao! izy, hatramin’ny fotony!»
Aoka tsy ho manetra noho ny amiko, izay manantena Anao, ry Tompo, Iavehn’ny tafika! Aoka tsy hangaihay noho ny amiko, izay mitady Anao, ry Andriamanitr’i Israely!
Ny lohan’ny marina iaviam-pitahiana, fa ny vavan’ny ratsy fanahy kosa tototra faharatsiana.
Izay maneso ny mahantra, manala baraka izay nanao azy; ary izay mifaly amin’ny fahorian’ny sasany tsy ho afa-maina tsy akory.
Izao no lazain’i Iaveh amin’ireo ratsy fanahy rehetra mifanolotra amiko, izay mandramatra ny lova nomeko an’i Israely vahoakako: «Indro hongotako hiala amin’ny taniny izy ireo; ary hongotako hiala amin’izy ireo koa ny taranak’i Jodà.
Aoka isika handry eo amin’ny fahafaham-barakantsika, sy horakofan’ny henatra isika; fa samy efa nanota tamin’i Iaveh Andriamanitsika, na isika na ny razantsika, hatramin’ny fahatanorantsika ka mandrak’androany; sady tsy nihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitsika.
Satria, izao no efa nianianako tamin’ny Tenako, - teny marin’i Iaveh: - I Bôsrà dia ho fitalanjonana sy fandatsa, ho tany efitra sady voaozona; ary ny tanànany rehetra ho rava mandrakizay.
Menatra izahay, fa nandre ny fanalam-baraka; safo-kenatra ny tarehinay, fa ny hafa firenena no tonga, nanevateva ny fitoerana masina, ao an-tranon’i Iaveh.
Mifalia sy miravoravoa, ry zanaka vavin’i Edôma, izay monina any amin’ny tanin’i Hosa! Horosoana ny kapoaka koa ianao; ka himamo dia hitanjaka.
Lasan’izay ny helokao, ry zanaka vavin’i Siôna, tsy hanesi-tany anao intsony izy. Mamangy ny helokao izy, ry zanaka vavin’i Edôma, asehony miharihary ny fahotanao.
Hataoko lao mandrakizay ianao, ary tsy honenana intsony ny tanànanao; dia ho fantatrao fa Iaveh Aho.
Lasàka no hitafiany; horohoro no manarona azy; henatra no ho amin’ny tava rehetra, ary mibory ny loha rehetra.
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Edôma, - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra izy, fa namono ny fangoraham-po ary satria mamiravira lalandava ny hatezerany sy mitahiry ny lolom-pony hatramin’ny farany,
Hahita izany anie ikala fahavaloko, ka ho safo-kenatra anie izy, dia izy ilay nanao tamiko hoe: Aiza izay Iaveh Andriamanitrao? Hibanjina azy ny masoko: amin’izao dia hohitsakitsahina izy, toy ny fotaka eny amin’ny arabe.
Aza mankahala ny Edômita, fa rahalahinao izy; aza mankahala ny Ejiptianina, fa efa vahiny tany amin’ny taniny ianao:
azo raisina hiditra amin’ny fiangonan’i Iaveh ny zaza nateraka avy amin’izy ireo, hatreo amin’ny taranaka fahatelo.»