Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 27:41 - Baiboly Katolika

41 Raikitra ao am-pon’i Esao ny fankahalana an’i Jakôba noho ny tso-drano nomen-drainy azy, ka hoy izy tao am-pony: «Ny andro hisaonako an’i Dada dia efa antomotra; amin’izay dia hovonoiko i Jakôba rahalahiko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

41 Ary nankahala an’i Jakoba i Esao noho ny tsodrano izay nomen’ny rainy azy. Dia hoy i Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an’Ikaky ka hovonoiko i Jakoba rahalahiko.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

41 Ary nankahalain’i Hesao i Jakôba, satria nahazo ny tsodranon-drainy; ka hoy i Hesao anakampo hoe: «Efa akaiky ny andro hisaonana an’i dada, ary amin’izay no hamonoako an’i Jakôba rahalahiko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

41 Ary nankahalain’i Hesao i Jakôba, satria nahazo ny tsodranon-drainy; ka hoy i Hesao anakampo hoe: «Efa akaiky ny andro hisaonana an’i dada, ary amin’izay no hamonoako an’i Jakôba rahalahiko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

41 ARY Esao nanao fo-lentika tamin’i Jakoba noho ny tso-drano izay nataon-drainy taminy; dia hoy Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an’ikaky, dia hamono an’i Jakoba rahalahiko aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

41 Ary Esao nanao fo-lentika tamin'i Jakoba noho ny tso-drano izay nataon-drainy taminy; dia hoy Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an'ikaky, dia hamono an'i Jakoba rahalahiko aho.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

41 Ary nankahala an’i Jakoba i Esao noho ny tsodrano izay nomen’ny rainy azy. Dia hoy i Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an’Ikaky ka hovonoiko i Jakoba rahalahiko.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 27:41
34 Rohy Ifampitohizana  

Nolazain’olona tamin-dRebekà izany tenin’i Esao zanany lahy matoa izany, ka nampanalainy i Jakôba zanany lahy aivo, dia hoy izy taminy: «Indro i Esao rahalahinao mikasa hamaly faty anao, ka hamono anao.


Vonjeo re aho, ho afaka amin’ny tanan’ny rahalahiko, dia amin’ny tanan’i Esao; fa matahotra aho, fandrao avy mamely ahy, ary ny reny mbamin’ny zanany izy.


Ary nandefa iraka hialoha azy i Jakôba, ho any amin’i Esao, rahalahiny, any amin’i Seira any an-tsahan’i Edôma


Fa niverina nankeo amin’i Jakôba ny iraka, ka nanao hoe: «Nankany amin’i Esao rahalahinao izahay, ka indro tamy hitsena anao izy omban’olona efajato.»


Dia niala aina i Isaaka, ka maty, ary nakambana tamin’ny razany; tratra antitra sy lava andro niainana izy. Niara-nandevina azy i Esao sy i Jakôba, zanany.


Mbola lavitra izy dia tazany, ka talohan’ny nahatongavany teo akaikiny, dia niray tetika hamono azy izy ireo.


Nony hitan’ireo rahalahiny, fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra i Josefa, dia nankahalainy izy, ka tsy zakany intsony ny hiteny aminy amim-pitiavana.


Ary hoy ireo rahalahiny taminy: «Dia hanjaka aminay ve ianao e, ary dia ho eo ambany fanapahanao ve izahay e?» Izany nofiny aman-teniny izany, no vao mainka koa nankahalàny azy.


Rehefa hitan’ireo rahalahin’i Josefa fa maty i rainy dia hoy izy: «Sao dia anaovan’i Josefa fo lentika isika, ka valiany amin’izao ny ratsy rehetra nataontsika taminy.»


Ary nomeny teny ny mpanao fanafody manompo azy, hanosotra zava-manitra an-drainy, ka dia nanosotra an’i Israely ny mpanao fanafody.


Dia nafindran’ny mpanompony avy teo amin’ny kalesy izy, ka napetrany teo amin’ny kalesy hafa izay kalesiny, ka nentiny tao Jerosalema. Maty izy, ka nalevina tao am-pasan-drazany. Nisaona an’i Josiasa avokoa i Jodà sy i Jerosalema.


Mamboraka eo anatrehany ny fitarainako aho, mamosaka eo anatrehany ny fahoriako.


Nandeha midanesaka aho, toy ny malahelo sakaiza aman-drahalahy, nitanondrika tamin’alahelo, toy ny misaona reny aho.


Aleo ny kely ananan’ny olo-marina, toy izay ny be ananan’ny olon-dratsy maro;


fa mihazakazaka ho amin’ny ratsy ny tongony; ary midodododo handatsa-dra izy ireo.


Manoatra ny tanàna mimanda, ny rahalahy miady amin’ny rahalahiny; ary tahaka ny hidin’ny lapa ny fifandiran’izy ireo.


Ao am-pony ny faharatsiana, misaintsaina ny ratsy lalandava izy, ary manangana ady.


Aza maika foana ny ho tezitra am-po; fa ny tratran’ny adala no fitoeran’ny hatezerana.


Noho ianao manao lolom-po tsy misy farany, sy nanolotra ny zanak’i Israely ho an’ny sabatra, tamin’ny andro nahitany loza, tamin’ny andron’ny faharatsiana farany,


Nisaona an’i Môizy telopolo andro tao amin’ny tany lemak’i Moaba ny zanak’i Israely ka tapitra ny andro fitomaniana tamin’ny fisaonana an’i Môizy.


Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilàn-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra