Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 51:51 - Baiboly Katolika

51 Menatra izahay, fa nandre ny fanalam-baraka; safo-kenatra ny tarehinay, fa ny hafa firenena no tonga, nanevateva ny fitoerana masina, ao an-tranon’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

51 Nahatsiaro menatra izahay fa nandre latsa; nanarona ny tavanay ny henatra; fa ny hafa firenena no niditra teo amin’ny fitoerana masina amin’ny tranon’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

51 Afa-baràka izahay nandre fandatsana! Rakotry ny henatra ny endrikay fony nidiran’ireo hafa firenena ny Toeramasina tao an-tranon’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

51 Afa-baràka izahay nandre fandatsana! Rakotry ny henatra ny endrikay fony nidiran’ireo hafa firenena ny Toeramasina tao an-tranon’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

51 Menatra izahay, fa efa nandre latsa; Manarona ny atrehinay ny henatra; Fa ny hafa firenena no niditra teo amin’ny fitoerana masina amin’ny tranon’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

51 Menatra izahay, fa efa nandre latsa; Manarona ny atrehinay ny henatra; Fa ny hafa firenena no niditra teo amin'ny fitoerana masina amin'ny tranon'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

51 Nahatsiaro menatra izahay fa nandre latsa; nanarona ny tavanay ny henatra; fa ny hafa firenena no niditra teo amin’ny fitoerana masina amin’ny tranon’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 51:51
37 Rohy Ifampitohizana  

Hitafy henatra ny fahavaloko, ary hanarona azy toy ny lamba ny fahamenarany.


Aoka ho menatra sy ho levona, izay mitady ny aiko! Aoka ho safo-kenatra amam-pahafaham-baraka, izay mitady hahavery ahy.


Salamon’i Asafa. Ry Andriamanitra ô, ibosesehan’ny firenena ny lovanao, ka ny tempolinao masina nolotoiny; i Jerosalema nataony korontam-bato;


Azerao impito eo an-tratran’ireo mifanila toerana aminay, ny fanaratsiana nafitsony Anao, Tompo ô!


Tonga fandàtsan’ny mpifanakaiky aminay izahay, sady fihomehy amam-paneson’ny manodidina anay.


Nohafohezinao ny andron’ny fahatanorany, ary nosaforanao henatra izy. - Selà


Faminaniana momba an’i Babilôna nambara tamin’i Izaia, zanak’i Amôsa.


Fa i Jakôba kosa hiantran’i Iaveh, ary i Israely mbola hofidiny; hamponeniny amin’ny taniny indray izy; ny hafa firenena hikambana aminy, sy hiraikitra amin’ny taranak’i Jakôba.


Faminaniana ny amin’ny efitry ny ranomasina. Tahaka ny firimorimon’ny tadio mihazo any amin’ny atsimo, avy any an’efitra izany, amin’ny tany mahatahotra.


Midìna, mipetraha amin’ny vovoka, ry virjiny, zanaka vavin’i Babilôna; mipetraha amin’ny tany, fa tsy amin’ny seza fiandrianana, ry zanaka vavin’ny Kaldeanina; fa ianao tsy hantsoina intsony hoe: Ikala kiankianina, Ikala miangetsana.


Irahin’ny lehibe haka rano ny madinika, dia mankany amin’ny lavaka famorian-drano ireo, fa tsy mahita rano; ka miverina mitondra siny foana; menatra sy mangaihay, ary misaron-doha foana.


ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny akaiky na ny lavitra, na ity na itsy mbamin’ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, etỳ ambonin’ny tany; ary ny mpanjakan’i Sesàka no hisotro manaraka ireo.


Fa nony efa nivily aho, dia nanenina; ary nony efa nahalala aho, dia nisafo sirana sady menatra sy nangaihay, satria mitondra ny fahafaham-barakan’ny fahatanorako aho.»


ka nandoro ny tranon’i Iaveh, mbamin’ny tranon’ny mpanjaka sy ny trano rehetra tao Jerosalema; nodorany tamin’ny afo avokoa ny trano lehibe rehetra.


Nandroso ny tanany ny mpampahory naka ny zava-tsoany rehetra; fa hitany ny firenena, niditra tao amin’ny fitoerany masina, dia ireo firenena izay namoahanao didy nataonao hoe: Tsy hiditra ao amin’ny fiangonanao izy!


Iaveh ô, jereo ka diniho: Iza no mbola nataonao toy izao, na oviana na oviana? Endrey! Misy vehivavy mba efa mihinana ny naloaky ny kibony ve? Dia ny zanany madinika izay malalany? Endrey! Mba efa vonoina eo amin’ny fitoerana masin’ny Tompo, na ny mpisorona na ny mpaminany!


Tsarovy ny nanjò anay, ry Iaveh ô, jereo sy diniho ity fahafaham-barakanay.


Lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro, hovetavetaiko ny fitoerako masina, ilay reharehan’ny herinareo, fifalian’ny masonareo, fitiavan’ny fanahinareo; ary ho lavon-tsabatra ny zanaka lahinareo aman-janaka vavinareo, izay nilaozanareo.


Hampitomboiko ny voankazo, mbamin’ny vokatry ny saha, mba tsy hitondranareo intsony latsa ama-mosary eo amin’ny firenena.


Lasàka no hitafiany; horohoro no manarona azy; henatra no ho amin’ny tava rehetra, ary mibory ny loha rehetra.


Ary hoy Izy taminy: «Lotoy ny trano; fenoy faty ny kianja. Mivoaha ianareo!» Dia nivoaka namely tao an-tanàna izy ireo.


Ny fitoerana avon’i Isaaka ho foanana; ny fitoera-masin’i Israely horavana; ary hitsangana hamely ny taranak’i Jerôbôama amin’ny sabatra Aho.»


Mitandrina ny fitsipik’i Amrì ny olona, mbamin’ny fanaon’ny taranak’i Akaba rehetra, ary mandeha araka ny toroheviny ianareo, mba hanolorako anareo amin’ny fandringanana, ary ny mponina amin’ny tany, ho amin’ny fisitrisìrana, ka hivesaranareo ny latsan’ny vahoakako.


Hahita izany anie ikala fahavaloko, ka ho safo-kenatra anie izy, dia izy ilay nanao tamiko hoe: Aiza izay Iaveh Andriamanitrao? Hibanjina azy ny masoko: amin’izao dia hohitsakitsahina izy, toy ny fotaka eny amin’ny arabe.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra